FFPM/ FO.FI.KRI

FANTATRAO VE ?

NY FOIBE FIOFANANA KRISTIANA (FO.FI.KRI)

CENTRE DE FORMATION CHRETIENNE

Maro na dia amintsika  Kristiana Protestanta aza no tsy mahalala ny fisian’ity toerana ity.

Fananan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara ity toerana mahafinaritra ity. Eny Ankadikely Avaradrano no ahitana azy, amin’ny lalam-pirenena faha-3. Vao miditra ny vavahady fotsiny ianao dia efa mihanoka ny zava-boahary maitso mavana.

Fa inona marina moa ity atao hoe : FOFIKRI ity?

Ankoatry ny maha-toeram-piofanana azy araka ny anarany, dia maro ny zava-mahasoa sy mahaliana miandry anao ao. Andao asesintsika araka ny fisehony :

– Chalet ambony rihana vita amin’ny falafa: azonao ialana voly sy hanaovana fivoriana ihany koa, mahazaka olona hatramin’ny 20 eo. Io no “chalet avara-patana”.

Refectoire “Ravintsara” : mahazaka olona hatramin’ny 250, toeram-pisakafoanana araka izany, nefa azo hanaovana lanonana ihany koa, na toerana ivavahana.

– Misy koa trano maromaro mahazaka olona 100, azo ampiasana araka ny filan’ny mpanjifa : toeram-piofanana sy lanonana samihafa.

– Misy efitrano fandraisam-bahiny: ohatra, raha mitohy andro maromaro ny fiofanana sy fivahinianana dia misy ny trano voaomana ho anao hatoriana.

– Misy ihany koa ny dobo filomanosana (piscine) – ny kianjam-panatanjahantena samihafa : basket-ball; boulodrone, terrain de football, sns.

– Misy efitrano lehibe iray mahazaka 450 olona “espace Amontana”: mandray mariazy sy lanonam-pianakaviana, misy “traiteur” raha ilaina.

– Misy sehatra maitso (théâtre de verdure, toa an’Antsahamanitra): mahazaka mpijery 3000, voalokaloky ny hazo midoroboka. Efa nandalo tao ny mpanakanto maro, sady toeram-panokanana ho mpiandry ihany koa;

– Ny “Chapelle” no toerana farany atolotro anao – toeram-pivavahanana (olona 100): Azo ampiasain’ny zanaka am-pielezana avy amin’ny fiangonana, na vondrom-bavaka hafa.

Ramatoa Fanjavola  RANIVOARIMANITRA Hary Jah no tale mitantana izany toerana izany azonao amin’ny laharam-pifandraisana : 034 21 134 25 / 033 21 134 25; mail: hfanjavola@yahoo.com.

Misy mpiandraiki-draharaha ao mandray amin’ny fotoana rehetra:

Rtoa RAZAFINDRATSIMA Kantonirina Sarobidy, Tél : 034 01 001 37

Clauderasata

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV