Tatitra 10T. Mpit/ Tonia SAMPATI
SAMPATI FOIBE
Manamarika ny faha 10 taona naha Mpitandrina ny Tonia SAMPATI RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Séraphin Jhons Mpitandrina mivady.
Tontosa ny Asabotsy 17 Jolay 2021, tamin’ny 9ora sy sasany tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana ny fanompoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny faha 10 taona maha Mpitandrina an’Atoa RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Séraphin Jhons Mpitandrina mivady. Nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany. Nisy fanolorana marim-pankasitrahana avy amin’ny Foibe FJKM sy ny Foibe SAMPATI ary ny Komitin’ny fankalazana .
Ankasitrahana indrindra ny Fanotronana sy Fitondrana amim’bavaka izany.Hoa an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
« Mpanompoko ianao, efa nofidiako ka tsy mba nariako » Isaia 41 :9