Sampati/Fanentanana
SAMPANA MPANAZAVA SY TILY —- FOIBE
FANAMBARANA SY FANENTANANA
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » IITim.1,8a
« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12,35
« Miorena tsara amin’ny finoana » IPet.5,9
NY SAMPANA MPANAZAVA sy TILY FOIBE SAMPATI dia manao izao fanambarana sy fanentanana izao ho antsika mpikambana rehetra, manerana ny nosy sy hatrany ampitan-dranomasina.
Tsarovy mandrakariva fa isika SAMPATI dia sady sampana velona eo anivon’ny fiangonana no fikambanana eo anivon’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara. Koa manoloana izao fahamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny valanaretina CORONAVIRUS na ny COVID-19 iombonan’ny firenena rehetra manerantany izao, anisany amin’izany i Madagasikara. Noho izany ny SAMPATI FOIBE dia :
1- Mampahery ny mpikambana rehetra « Aoka hirehitra hatrany ny jironareo, miorena tsara amin’ny finoana »
2- Hazony tsara ny fanabeazana nomena sy efa.
4- Iaino ny Tenin’Andriamanitra (vakio ny Baiboly)
5- TANDROVY ny Fahasalamana atolotry ny fanjakana (fahadiovana, fanatanjahatena, elanelana 1m)
6- Araho ny toro-marika atolotry ny foibem-pikambanana (Mpanazava sy Tily)
7- Ho an’ireo efa afaka mivavaka sy misokatra ny fiangonana any amin’ny faritra dia ampirisihana isika SAMPATI hazoto amin’ny famonjena ny fanompoam-pivavahana any am-piangonana amin’ny alalan’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana
8 – Mazotoa manaraka ireo fandaharana fanompoam-pivavahana sy toriteny atolotry ny Foibem-piangonantsika amin’ny alalan’ny haino aman-jery.
MANOLOANA NY FANDAHARAM-POTOANA FOIBE SAMPATI
– Tsy tanteraka ny fanofanana ny Komitim-pivondronana izay tokony ho natao tamin’ny 18,19,20 Jona 2020 lasa, koa hojerena amin’ny fotoana maha mety azy izany. (fa tsy maintsy ho tanterahina satria mahasoa antsika izany)
– Ny ALAHADY NASIONALY : 15 Novambra 2020 dia ho vitaina amin’ny volana Aogositra ny fandaharam-potoana iombonana : fitarihana sy toriteny ; satria misy isika efa manao izany alahady izany mialoha araka ny fandaharam-potoanan’ny fitandremana.
– FITSIDAHANA SYNODAM-PARITANY : mampahery hatrany ho antsika birao synodam-paritany izahay avy aty amin’ny foibe, ary aoka isika hanohy hatrany koa ny asa sy ny fampaherezana sy ny fitsidihana ny isam-pitandremana indrindra ho antsika any amin’ny faritra efa mahazo fahalalana.
– MAHAKASIKA NY FANEFANA NY ADIDY FOIBE dia anaovana fanantenana hatrany, toy izao ny fomba hahazoantsika mandefa azy :
— amin’ny alalan’ny compte Bancaire BFV-SG : 21 000 339 628 45 — SAMPANA MPANAZAVA SY TILY
— amin’ny alalan’ny Mvola : 034 90 163 67 — raison : adidy foibe
FANENTANANA HO ANTSIKA MPANOHANA, RAIAMANDRENY ARY SAKAIZA : miantso ny fanohanantsika ny foibe SAMPATI .
Dia manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa
Ny SAMPATI