« Koa aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsika ry Lehilahy maheryâŠâŠ.â
( 2Timoty 1 : 8a ; Mpits. 6: 12b)
âAnkatoavy ny Fitarihanâny Fanahy Masinaâ
Fandaharana Iombonana
Alahady 10 Mey 2020
-MAMPIASA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA,
-LEHIBE AMINâNY FINOANA
-MITOMBO AO AMINâI KRISTY.
( Efes 4 : 11 â 16 )
â Be hery ny lehilahy Hendry, eny mitombo hery ny olona manam-pahalalanaâ
HAFATRA
âKoa aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsika ry lehilahy maheryâ(II Tim. 1, 8a; Mpits. 6, 12b )
Ry lehilahy, malalanâAndriamanitra sady voantso no masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy aminâAndriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amena Izany teninâny Apostoly Paoly izany no iarahabana antsika malalanâAndriamanitra izay nantsoiny niala tao aminâny maizina ho aminâny Fahazavany mahagaga noho ny fahatrarantsika indray ity Alahady izay natokana hitrotroana ambavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana Ity. Isaorana ny Tompo Jesoa fa tontosa soaman-tsara taminâiny taona lasa iny fanavaozana ireo tomponâandraikitra eo anivonâny sampana sy sampanasa ary asa eto anivonâny FJKM, iray aminâireny isika Sampana Lehilahy Kristiana. Ny teny filamatra tany aminâny zaikabe izay hanompanantsika indray ny asa ao anatinâizao taom-piasana 2019-2023 izao dia ny hoe : âLehilahy Kristiana : Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana, Lehibe aminâny Finoana , Mitombo ao aminâi Kristy.â Efes. 4,11-16
Mandritra ny taom-piasana 2019-2023, ny Birao ny Sampana Lehilahy Kristiana Foibe dia manao laharam-pahamehana ny Fanatsarana ny fitantanana rehetra (ara-bola, ara-pitaovana, maha olona) mba ho modely eo aminâny ambaratongan-drafitry ny SLK, araka ny Fahamarinana, satria âJesoa Kristy no Lalana sy Fahamarinana ary FiainanaâŠ..â Jaona 14, 6 sy ny hoe: âTsy misy fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny Fahamarinana ny zanakoâ III Jaona 1, 4. Koa hiezaka isika rehetra mba ho modely alaintahaka eo aminâny lafiny rehetra. Misaotra anâAndriamanitra aminâny fahavitanâny asa âIVONTOERANA S.L.K. F.J.K.M.â any Foulpointe /SP 31 Toamasina Vavahadinâny Filazantsara sy antsika rehetra nitrotro am-bavaka ary indrindra ny fitondram-panjakana ankehitriny aminâny alalanâny tetikasa CCPREAS taminâny nanekeny, ny fangatahina nanohy sy namita ny ivotoerana. âFa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.â Heb. 6, 10. Miandry ny fitokanana ny trano isika,raha sitraponâny Tompo Jesoa Kristy, ary manentana antsika LEHILAHY KRISTIANA F.J.K.M aminâny fampitaovana ny ivotoerana.Maneho ny fisaorana ny SLK SP 37 koa isika aminâny fiaraha-miasa ho fampitomboana ny machine fanaovana ny mofompandraisana, izay efa antitra tokoa. Miandry ny fahatongavanâny machine Mofo mpandraisana vaovao nafarana isika ankehitriny.Misaotra ary manentana hatrany antsika aminâny fandrotsahana ny rakitra atao aminâizao fotoana hitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe izao, izay naraikitra aminâity fandaharana Iombonana ity ny nandrotsaka izanynanomboka ny volana Martsa 2019 ka hatraminâny volana Martsa 2020. Raha misy ny mety ho latsaka na tsy voasoratra dia iangaviana am-pitiavana mba hanatona ny Foibe FJKM varavarana 501 na hiantso ny laharana 0342088311 (Tonia). Farany, ny Tompo Jesoa Kristy dia mila S.L.K. : SAHY mitory ny FAHAMARINANA, LIANA aminâny Soratra Masina, manana KETRIKA (paikady) mahomby eo aminâny asa fitoriana ny filazantsara ary MANKATO NY FITARIHANâNY FANAHY MASINA. Ho anâAndriamanitra irery anie ny Voninahitra.
« Koa aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsika, ry lehilahy maheryâ (2 Tim. 1:8; Mpits. 6, 12b) Ry Havana, âHo aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy aminâAndriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.â Misaotra anâAndriamanitra lehibe isika fa tanteraka soa aman-tsara ny ZAIKABE FAHA VII ny Sampana Lehilahy Kristiana ny 10-11 OKTOBRA 2019, izay notanterahina teto aminâny Synodamparitany Atsimo Atsinanana FJKM Manakara Fiderana.
Isaorana ny Mpiandraikitra foibe Mpiahy ny SLK Atoa RAKOTOMANDIMBINDRAINIBE Mamisoa sy ireo Mpiandraikitra Foibe tonga nanatrika izao ZAIKABE izao.
Ankasitrahana ny Tonianâny Departemantanâny Fiangonana Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona Mpitandrina nitondra ny teninâAndriamanitra sy nitarika taminâireo fanavaozana rehetra.
Ireto ny fehin-kevi-dehibe tsara ho fantatra avy aminâizany:
Ny teny faneva ho banjinina aminâizao taom-piasana ho avy izao dia: âMiorena tsara aza miova ry lehilahy maheryâ IKor 15: 58a; Mpits. 6:12 a
Ny toerana hanatanterahana ny fihaonambe 2021 : Fort Dauphin SP 07
Toerana hanatanterahana ny fihaonambe sy zaikabe 2023: Vatomandry SP 32 Farany, mampahery sy mirary soa ho antsika rehetra, indrindra fa ny SLK manerana ny tany eo aminâny fitoriana ny filazantsara sy fijoroana ho vavolombelonâny Tompo Jesoa lohanâny Fiangonana sy ny lehilahy rehetra. Aoka ho tsapa sy hisongadina eo aminâny teny, asa fitondrantena isika SLK. âMiorena tsara aza miova ry lehilahy maheryâ IKor 15: 58a ; Mpits. 6:12 a Ho voninahitry ny Tompo Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Ho laza tsara ny fiangonana FJKM ho hery sy tanjaka ary reharehanâny Sampana Lehilahy Kristiana. Ho fahasoavana ho anâny rehetra sy izao tontolo izao. âHo aminareo rehetra izay ao aminâny Kristy anie ny fiadananaâ(I Pet 5:14b)
Vavaka mangina « Aminâny Anaranâny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen. »
TORITENY
LIOKA 12:8-12
Lohahevitra: âANKATOAVY NY FITARIHANâNY FANAHY MASINA.â âHo anâizay rehetra, S.L.K, malalanâAndriamanitra sady voaantso no masina; Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy aminâAndriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.â (Rom. 1, 7) Ny Soratra Masina izay andraisantsika ny hafatry ny Tompo Jesoa aminâizao alahadinâny S.L.K FJKM 2020 izao ,sady iainantsika ny lohahevitry ny volana Mey manao hoe âANKATOAVY NY FITARIHANâNY FANAHY MASINAâdia ny Filazantsaranâny Tantaram-pamonjena na ny Filazantsara araka anâi Lioka dia ny LIO. 12, 8-12. Eto aminâIty Perikopa ity;I Jesoa Kristy, nandritra ny Asa fanompoana nataony tao Galilia, dia nananatra sy nanome toky ny Mpianany sy ireo Mpanaradia izay milaza tena ho mpomba Azy mba hijoro tsara sy ho mendrika izany anarana izay. Nitaona azy ireo hanana fanapahan-kevitra mazava sy mari-pototra manoloana ny zavatra hitranga sy hateraky ny fanarahana Azy ny Tompo. Tena m mahakasika antsikaKristiana rehetra ihany koa izany; ary miantefa manokana ho antsika Sampana Lehilahy Kristiana FJKM aminâizao alahadinâny SLK sady Vanimpotoananâny Andro farany izay hijoroantsika ho VavolombelonâI Jesoa Kristy eo ambany fitarihanâny Fanahy Masina izao.
âS.L.K Mankato ny fitarihanâny Fanahy Masinaâ
1) Lehilahy manaiky sy manambara anâI Jesoa ho Tompo (and. 8-10) Mazava ny fanambaranâI Jesoa Kristy momba ny fanapahan-kevitra ataonâny olona rehetrampanara-dia ny Tompo eto. Mitovy ary miankina aminâ ny fanapahan-kevitra nateraky ny safidy atao ary ambaranâny olona mpomba anâI Jesoa Kristy aminâny alalanâny teny,fihetsika eo anatrehanâny fiaraha- moninâolombelona ny ho fanapahan-kevitra hataonâny Zanakâolona (Anarana nanambarĂ nâI Jesoa ny tenany, Ilay Mesia efa nambara fa ho avy haneho ny hery sy voninahitra ary hitsara anâizao tontolo izao Dan. 7, 13) manoloana ny fitsaranâAndriamanitra ho avy. Takianâny Tompo aminâny Mpianany mantsy ny hanananâizy ireo fiainana mifanaraka aminâny maha-Mpianatra: tsy mihatsaravelatsihy, tsy hiteny ratsy ny Fanahinâny fahamarinana hatahotra sy hanaja anâAndriamanitra izay tomponâny teny farany aminâny zavatra rehetra. Ny fanekena anâI Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy sy ny fanarahana Azy dia tsy mijanona hosafidy nataonâny olombelona sy ho anâny tena fotsiny, tsy ho fanapahan-kevitry ny saina na ho fihetseham-po fa finoana iainana avy aminâny FanahinâAndriamanitra ka tsy maintsy hambara sy ampahafantarina aminâny teny sy ny asa ary ny fitondran-tena, fiaina eo anivonâny fiaraha-monina. Izany no tena Mpianatra marina sy MpankatoI Joba, ilay lehilahinâAndriamanitra tonga ohatra ny aminâny faharetana, indrindra ny aminâny fifikirana aminâny finoana sy ny fahamarinana araka anâAndriamanitra dia naneho izany toetra maha-Mpankato ny Tompo Andriamaniny na dia nianjadianâny fitsapana, fanenjehana, fahoriana maro lafy aza. Nanana ny FanahinâAndriamanitra nitarika azy izy ka nitoetra ho mahatoky teo anatrehanâ Ilay Mpanavotra azy (Job. 19, 26-29). Isika Lehilahy Kristiana izay manara-dia ny Tompo Jesoa ihany koa dia tokony haneho ny maha- kristiana antsika. Hijoro sy hiaina ho tena Lehilahy (Lohanâny vehivavy sy ny ankohonana, Mpitarika sy tomponandraikitra voalohany eo aminâny fiaraha-monina) sy hanao sy hitana ny tenin-dehilahy ka hanao Eny; eny mandrakariva aminâny SitraponâAndriamanitra rehetra ary hanaiky sy hankato araka izay hitarihanâny Fanahy Masina antsika. Araka izany dia andeha isika hifampitaona ka hanao dingana lehibe fiainana kristiana. Ny Voalohany sady lehibe indrindra aminâizany dia ny fandraisana anâI Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ho anâny tena sy ny ankohonana ary ho porofo sy hikolokoloana izany fanampahan-kevitra tsara sy azo antoka izany ny fidirana ho Mpikambana ao aminâny Sampana S.L.KFJKM.
2) Lehilahy Sahy mijoro ho Vavolombelona marina Efa nambaranâ I Jesoa mandrakariva taminâizay mpanara-dia Azy ireo zavatra hitranga sy ny vokatry ny fanarahany ny Tompo eto an-tany na ho mandrakitray. Anisanâireny ny fanenjehana, ny fampijaliana, ny fisamborana sy ny fitsarana azy ireo eo anatrehanâireo Manampahefana sy Tomponandraikitra Jiosy ary ny hafa firenena aza. Manoloana izany; satria efa nanao safidy tsara ny homba anâI Jesoa avy any Nazareta; izy ireo dia nanome toky sy fampanantenana ho azy ireo ny Tompo fa hanome ny Fanahy Masina (Parakleto=Mpampahery, mpanolo-tsaina, Mpisolo-vava) ho eo anilany,ho ao anatiny hanala ny tahotra sy ny ahiahy,handevona ireo endrim-pahalemena rehetra izay mpahazo ny olombelona. Ny Fanahy Masina, izay Tompo sady Mpanome aina, no hampianatra, hananatra, hanome ny teny, ny valiteny mifanaraka aminâny sitraponâAndriamanitra sy mifanaraka aminâny maha-MpianatrâI Kristy (Vavolombelona marina)azy ireo.I Paoly Apostoly, ilay lehilahy mahery fo teo aminâny fitoriana ny Filazantsara dia nijoro ho vavolombelona ny aminâny fanompoana nataony teo aminâny Jentilisa. Tanteraka izany noho ny Fitarihanâny fanahy Masina sy ny fahasoavanâAndriamanitra. Aminâny maha-mpanomponâI Kristy Jesoa azy. Toy izany koa isika Mpino kristiana dia tokony hanana fahatokiana sy fahasahiana aminâny fitoriana ny Vaovao mahafalinâny Famonjenâ Andriamanitra, izay tanteraka tao aminâI Jesoa Kristy ary natao ho anânyolona rehetra. (Rom.15, 14-21). Farany, miantefa ho antsika S.L.K koa izany fampanantenanâny Tompo antsika eo aminâny maha-âLehilahy mahery â antsika.Araka ny tarigetrantsika hoeâ Lehilahy mitombo aminâny fahatsarana, mitombo aminâny hamaroana, mirindra aminâny fomba fiasaâ. Ho Lehilahy kristiana tsy mihemotra eo anoloanâny zava-tsarotra atrehany, tsy mivadika aminâny teny sy fanekena nataony, Mpankato ny Tompo Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina; vonona sy sahy, mahatoky sy manetry tena tokoa anie isika. Izany mantsy no âLehilahy Mankato ny Fitarihanâny Fanahy Masinaâ; eny izany no Tena Lehilahy MpianatrâI Kristy marina.Hoy mantsy i RABARY âNy lehilahy zero, zero ny fahavalony. Ny lehilahy kely, kely nyfahavalony. Ny lehilahy lehibe, lehibe ny fahavalonyâ. Ry Lehilahy Kristiana sy izay rehetra Mpikambana ato aminâny S.L.K Ă! MIJOROA! âFa tsy nomenâAndriamanitra fanahinâny fahosana isika fa fanahinâny hery sy ny fitiavana ary ny fanoloran-tena; Koa aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsika ianaoâŠRy Lehilahy mahery!â (IITim.1, 8a; Mpits. 6, 12b) Homba ny fanahinao anie ny Tompo! Ho aminareo anie ny fahasoavana Ho anâAndriamanitra irery ny voninahitra!
RAMANANTSALAMA Lovasoa Hasina, Mpitandrina Mpitantsoratry ny SLK FJKM