FJKM SalemaVaovao 67 ha

Fitokanana trano fiangonana sy fanaka masina

60 taona niaretana, 60 taona niainana ny fiadanan’ny Tompo ihany koa. Toa hevitra roa mifanohitra ihany izany, izay anefa no azao anambarana ny niainan’ny fitandremana Salema Vaovao  67 ha, Synodamparitany Antananarivo Andrefana, nandritra izay 60 taona izay.

Toy izao anambarana azy izao ny famintinana ny tantaran’ny Fiangonanana araka ny voalazan’Atoa RAKOTOVOKATRA Nosinjaka Jaona Lalaina, Filohan’ny Komity Fankalazana.

Tamin’ny taona 1959 izay fotoana nisian’ny tondra-drano be teto amintsika ireny no niorina ny fiangonana. Nisy ny fifindrafindrana izay ahatsiarovana ny nivezivezen’ny Zanak’ Isiraely tany Egypta fahiny. Teny Andranomadio no niorina voalohany ny Fiangonana. Efa in-telo no nifindra, izany hoe ankoatra io toerana io dia efa teny Andohatapenaka ihany koa ny Fiangonana vao teo amin’ny toerana misy azy eny amin’ny 67 Ha izao. Izay ny amin’izay niaretany fa ny vokatr’izany kosa dia tena niaina ny fiadanan’ny Tompo ny Fiangonana. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra mantsy dia maro ny asa vita notokanana tamin’ny andron’ny Zoma 13 Desambra 2019 lasa teo.

 Ankoatra ny Trano fiangonana mantsy dia teo koa ny carreaux amin’ny atiny sy ny ao amin’ny trano fisainana, ny loko manontolo ary koa ny fanambanin’ny rindrina mbamin’ny lokon’ny fiangonana. Fanompoam-pivavahana Fankalazana an’Andriamanitra noho ny fitokanana ny trano fiangonana sy ny fanaka masina ao anatiny no notanterahina tamin’io Zoma 13 Desambra io teny amin’ny FJKM Salema Vaovao 67 Ha ihany. Atoa RAZAFINDRAMANITRA Nestor, Mpitandrina, Filoha mpanampy mpitandrina eo anivon’ny Synodamparitany, no nitarika ny fotoana ary nitondra ny hafatr’Andriamanitra Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka H, Mpitandrina, Birao Mpiandraikitra Foibe.

Maro ireo solontenam-piangonana avy eo amin’ny Synodamparitany nanotrona izany ary notarihin’ny Birao Synodamparitany sy ny solontenan’ny Foibe FJKM. Mitohy hatrany ny asa ka ny fananganana fotodrafitrasa lehibe indray izao no kasaina ho tanterahina manaraka.

                                                                                                                                                             RaMahery

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV