Amboaran’ny Filoha 2020.

Andrandraina ny hitohizan’ny hetsika

Tontosa tamin’ny tolakandron’ny Alahady 29 Desambra 2019 tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fanompoam-pivavahana famaranana ilay hetsika «AMBOARAN’NY FILOHAN’NY FJKM 2019» nokarakarain’ny AFIFAB sy ny Radio Fahazavana, izay nentina nitory filazantsara amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy nampaherezana ny Filohan’ny FJKM ary nanohanana ny Radio Fahazavana.

Ny Filohan’ny FJKM Atoa IRAKO Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany, araka ny Rom 7.37 manao hoe : « Manoatra noho no mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika » izay Soratra Masina nanorenana ny hetsika.

Nitarika ny fotoana kosa Atoa RAFALIARIVONISOLO Olivier Mpitandrina Biraon’ny Komitin’ny AFIFAB. Nandritra izany no nanolorana ireo amboara ho an’ny ekipa telo voalohany nandresy tamin’ny lalao isaky ny taranja baolina kitra, basket, volley ary tsipy kanetibe. Nisy ihany koa amboara ho an’ny fiangonana izay tonga maro nifanotrona nandritra ny lalao rehetra ka ny FJKM Amparibe Famonjena no nahazo izany. Kristiana avy ao amin’ny FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika kosa no notolorana fanomezana manokana tamin’ny lalao fitondrana Baiboly tany an-kianja. Tsy nisy diso anjara anefa ny mpilalao sy ny mpikarakara rehetra satria ny Filohan’ny FJKM no efa nanomana fanomezana nozaraina ho azy ireo. Ankoatr’izay dia notolorana amboara ny Filohan’ny FJKM ho fampaherezana sy ho fahatsiarovana avy amin’ny mpikarakara. Nanolotra amboara sy fanamiana ho azy ihany koa ny FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika.

Ny farany nefa tsy ny kely indrindra dia ny fanolorana fitaovana ho an’ny Radio Fahazavana, ka solosaina matanjaka iray miampy milina fanontana no natolotry ny mpikarakara tamin’izany. Raha fintinina ny hetsika rehetra dia fahombiazana no azo ilazana azy koa andrandraina noho izany ny hitohizan’ny hetsika sy ny hivelarany any amin’ireo Synodamapritany rehetra manerana ny sahan’ny FJKM.

Niry Rakoto

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV