Ny Fanambadiana

Fitsipika fototra sy fitsipika anatiny

Lafiny maro no azo anehoana ny fanambadiana mba hahazoana manatsara ny fiainan-tokantrano satria ny anambadiana, iadanana. Ny FJKM dia manana izay ijereny izany fanambadiana izany, tsy ara-tSoratra Masina ihany, fa eo dia eo koa ny amaritany azy araka ny Fotodalana sy fitsipika.

Ao amin’ny Fitsipiky ny FJKM dia andininy miisa telo amby roapolo (23) no amariparitany izany (And. 73 ka hatramin’ny and. 95)

Ny FJKM dia manambara fa ny vahoakan’Andriamanitra miombona ao amin’ny Fiangonana dia ny ankohonana Kristiana no ilafihany ary ny fanambadiana no loharanony. Koa ny ankohonana no tsara dia fanambadiana no lafatra. Iezahan’ny Fiangonana ny mamaritra ny antsoiny hoe: fanambadiana. Taratra izany araka izay ambaran’ny foto-kevitra eo amin’ny toko faharoan’ny fitsipika hoe: “Ny Ankohonana Kristiana dia ateraky ny Fanambadiana Kristiana. … ao amin’ny Fanambadiana Kristiana no tsy maintsy iorenan’ny fitaizana fototra,… Ny Fanambadiana Kristiana, dia :

  • Firaisana masina ifaneken’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, araka ny fanorenan’ny Tenin’Andriamanitra.
  • Famantarana ny fahariana vaovao eo amin’izao tontolo izao.
  • Fanehoana ny endrik’Andriamanitra eo amin’ny fiarahamonina.
  • Fitiavan’Andriamanitra iainana hita maso ao amin’ny fifanajana sy ny fifankatiavana.
  • Famantarana lehibe ny amin’ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana.
  • Fototra amin’ny fanabeazana ny olona tsirairay, ny ankohonana, ny firenena sy ny Fiangonana.

Koa mba hampiorenana izany foto-kevitra izany dia ikelezan’ny isan’Ambaratongany avy ny mampianatra ny Fiangonana araka izao vontoatim-pampianarana izay faritan’ny Fitsipiky ny FJKM and. 73 izao: “Toy izao no vontoatim-pampianaran’ny FJKM momba ny fanambadiana:

  • Tsy ambaran’ny Fiangonana ho fanambadiana kristiana avy hatrany ireto:
  • Ny fanambadiana ifanaovan’ny olona roa (2) samy irery mba hiraisana tokantrano
  • Ny fanambadiana ifanaovan’ny olona roa (2) araka ny fombam-pianakaviana na ny fomban-drazana mba hiraisana tokantrano.
  • Ny Fiangonana dia mampahafantatra sy mitaiza ny vahoaka kristiana hiroso amin’ny fisoratam-panambadiana ara- panjakana sy amin’ny fanamasinana ny fanambadiana ara-pivavahana.
  • Ny FJKM dia tsy mitsodrano izay fanambadiana efa voatsodrano tany amin’ny Fiangonana kristiana hafa.
  • Ny “Boky torolàlana” no manazava ny antsipiriany momba ny fanambadiana araka izay efa navoakan’ny Mpiandraikitra Foibe.

Arak’izany, ny Mpiandraikitra Foibe dia manana andraikitra hamokatra sy hanatsara ka hamoaka ny boky torolalana. Tsy ela akory izay no nanatanteraka ny Synodam-pinoana voalohany isika. Misy ny hevitra maro sy ny fanapahan-kevitra momba ny fanambadiana navoitran’izany Synodampinoana izany ka tokony hatovana ao amin’ny boky torolalana. Ilaina ny fanapariahana izany boky torolalana izany hahatratra ny Fiangonana rehetra eo anoloan’ny boky kely fampianarana momba ny fanambadiana maniry hoatry ny anana avoakan’izay te hamoaka noho ny fahalalahana gaboraraky ny Fiangonana.

Mitohy io famaritana ny fanambadiana io araka ilay foto-kevitry ny Fitsipika hoe: “Ny Fanambadiana, amin’ny Kristiana, dia fanomezana sarobidy sy masina avy amin’Andriamanitra. Noho izany dia angataham-pitahiana sy fanamasinana avy amin’Andriamanitra izany, ary mahazo ny tsodranon’ny Fiangonana. Izany dia tanterahina amin’ny alàlan’ny fanompoam-pivavahana, izay ampahafantarina ny Fiangonana, sady atao ao amin’ny tranon’Andriamanitra.”

Eo anatrehan’izany, nahoana ny fiangonana no tsy rototra akory eo anoloan’ny fahamaroan’ny tsy vita mariazy ara-piangonana?

Mialohan’ny fanamasinana anefa dia hoy ny Fitsipika and. 76: “mba ho fanajana ny maha-olom-pirenena, dia takin’ny Fiangonana ny fanoratana ny fanambadiana ao amin’ny sora-piankohonana ara-panjakana, mialoha ny fanamasinana”.

Isaorana Andriamanitra fa tsy mitsaha-mitombo ny fahenoana ireo Fiangonana miezaka manao ezaka fanoratam-panambadiana miaraka amin’ny kaominina.

Na any amin’ny fisoratam-panambadiana na eo amin’ny fanamasinana dia manana anjara toerana lehibe ny fisian’ny vavolombelona. Hoy ny fitsipika eo amin’ny and. 78 milaza izany: “Ny olona ho vavolombelona dia Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, sady mbola tsy nisara-panambadiana, ary itokisan’ireo izay vao hivady, sady izy ireo ihany no mifidy azy”.

Tsikaritra ao amin’ity andininy ity ny tsy faneken’ny FJKM ity ny fisarahana na inona na inona antony araka ny and. 95 hoe: “Ny Fiangonana dia tsy mankasitraka ny fisaraham-panambadiana, na inona na inona antony. Ny fahafatesana ihany no fetry ny fanambadiana kristiana”.

Saingy mampametra-panontaniana, eto am-pamaranana, nahoana no eken’ny fiangonana hanamasina fanambadiana ireo efa nisaraka ka miverina amin’ny asa fanompoany satria na dia ny vavolombelona azy tsy afa-mijoro raha efa rava tokantrano? Fo tsy aritra ihany izany ka ampitaina ho an’ny Fiangonana.

Mirary tokantrano sambatra ho an’ny rehetra e!

RASORAPIANGONANA

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV