Ny Franc Maçon !

Fandalinana

MISEHO ENDRIKA NY FRANC MACON

Fikambanana tsy mba tia miresaka ny momba azy ny Franc Maçon. Anisan’ny ahafantarana azy izany, sady fitsipika mifehy azy rahateo koa. Mihamiboraka        anefa ny lela eo amin’ny mpikambana sasany, ka mivoa-pofona toa ny nahandro tsy misarona ity Fikambanana ity.

Noheverina fa filamatra izany fifanampian’ny samy mpikambana Franc Maçon izany, noho ny fifankatiavany lalim-paka, araka ny hevitra voizina. Very anefa izany fitoviana na « égaux » eo amin’ny samy mpikambana izany. Miaka-danja kosa ny « égo », ny fitiavan-tena.

FITIAVAM-BONINAHITRA

Ireo mpikambana ambany grady dia mihevitra fa ny manahiran-tsaina ireo Franc Maçon mitondra azy, dia ny voninahiny sy ny toerana maha mpitondra azy. Izay hitazonana io toeram-boninahitra io no zava-dehibe amin’izy ireo. Ny fifidianana izay ho mpitondra dia ahitana tanteraka izany, hoy izy ireo. Manilika izay te hifaninana aminy, toy ny fanaovana politika, ireo mpitondra ambony Franc Maçon.

FIFANKATIAVANA IVELAMBELANY

Avy miasa aho, hoy ity lehilahy iray, dia nanantena fa hahazo fitoniana rehefa tonga any amin’ny fihaonan’ny samy Franc Maçon misy ahy. Tsy izany anefa no hitako ao fa, toy ny afobe mifanaritaky ny adihevitra sy tombontsoa. Izany ihany anefa no nialako tany amin’ny Fikambanana hafa izay nisy ahy fahiny. Tsy hitako tao amin’ny Franc Maçon ny hevitra milaza fa, fifanampiana sy fifampizarana tsenam-barotra hampivelatra ny orinasan’ny tena manokana ny ao.

FANILIHANA

Iray ahafantarana ny Franc Maçon, dia ny fanilihana ny vehivavy. Marina fa misy ny Fikambanana Franc Maçon ivondronan’ny vehivavy. Fa dia tena misy mihitsy ny fanilihana ny vehivavy ao. Heverina fa ny fitondran’ny vehivavy akanjo fohy sy mampiseho tratra, dia fakam-panahy mahery tsy hijoroan’ny lehilahy. Noho izany, dia very ny fahatsorany sy ny fahadiovany. Tsy eken’ny Franc Maçon ny fampiarahana ny lahy sy ny vavy (mixte) anaty fikambanana, amin’ny ankapobe, noho io fanilihana sy fanaratsiana ny vehivavy io. Mahatsiaro tena ho tsy afaka ny Franc Maçon araka izany fanilihana ny vehivavy izany.

HOMOSEXUEL

Io fanilihana ny vehivavy io dia miara-dàlana amin’ny Homosexualité, fiarahan’ny samy lahy na samy vavy. Serge Abad-Gallardo, mpitondra ambony tao amin’ny Franc Maçon niala, dia nanao fanambarana miezinezina fa,  efa dinihina lalina any amin’ny fivorian’ny Franc Maçon ireny fanalan-jaza, famonoana olona “euthanasie”, ary ny homosexuel. Aorian’izany vao atolotra ny Solombavambahoaka holaniana sy hatao lalàna. Malaza tokoa io fifamatoran’ny Franc Maçon sy ny Homosexuel io eran-tany io.

FIVAVAHANA

Maro ny mihevitra fa, afaka miaraka ny maha Franc Maçon sy ny maha mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Maka ny endrika kristiana ihany anefa ny olona Franc Maçon, toy ny entam-barotra “contre façon”. Fa ny ataony dia fanakorontanana sy fanapotehana ny Fiangonana. Ary tena fivavahana ny Franc Maçonnerie, manana ny mpitondra fivavahany (haut grade), ny litorjiany (rites), ny fotoam-pivavahany, ny trano fiangonany (temple maçonnique), ny andriamanitra ivavahany (Grand Architecte De l’Univers na GADLU), ny akanjom-pivavahany anaovany rehefa hivavaka, ny fianianana ataony izay mafy dia mafy tokoa.

PS

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV