Alahadin’ny KPMS 2019.

Komitim-Pirenena Miady amin’ny SIDA

« Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? » Estera 8.6

HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO HAMALY NY TSIRAIRAY ARAKA NY ASANY

Fandaharana iombonana :

Alahady 24 Novambra 2019.

Hira faha-200T Sekoly FJKM

Fiarahabana apostolika : Apo 22.21

Fisaorana sy fiderana

-ataon’ny mpitarika (Apo 22.20)

-ataon’ny besinimaro (Sal 98.4-9)

Hira 39 :Faingana ry Mpanjaka

Vavaka sy fiderana

Fanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra

-Fitarihanteny: 1 Pet 4.3

-1Kor 6.9-10/Rom 12.1

-Hira 489.3  » Koa halaviro … »

Vavaka fifonana

-Hira 354.4 « Indrisy be ny fahotako »

FAMELANKELOKA

-Fitarihanteny (Apo 21.4)

-Zak 9.9,16

-Hira 539.2 « eladia ela no nandavany Anao »

-Fanekempinoana IV

ASAN ‘NY FIANGONANA

-Filazandraharaha sy fanentanana samihafa

-Famakiana ny Hafatra avy aminn’y KPMS

-Rakitra : Hira Sampana

Fanolorana ny Rakitra : Hira 437.2

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

-Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora

Hira 212.1,3

Vakiteny : Mal 3.19-24 / Mat 16.24-28 / Apo 22.12-16

Hira 51.1,4

Toriteny

VAVAKA FANGATAHANA+ Rainay …

ASA VAVOLOMBELONA

FAMARANANA

Hira 701.1,2

-Tsodrano 1 Tes 5.23

-Doxologie : Apo 7.12

-TRINITE

……………………………………………………………………………………………………………………………..

TORITENY

Indro, avy faingana Aho; ary eto Amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.” Apok 22: 12

Ny fiavian’ny Tompo dia taranja lehibe iray eo amin’ny fotopinoan’ny Fiangonana.

Efa nandinika sy namakafaka an’io avy amin’ny Soratra Masina ny Teolojiana maro ary nisy aza ireo namela ny fianarana hafa rehetra ka nivaona any amin’ny fampianarandiso satria Ilay efa tonga io mbola ho avy io ka tsy afa-misaraka ny fahatongavany sy ny fiaviany indray ary tena mifaningotra tanteraka ny hiainana izany eo amin’ny fiombonan’ny Fiangonana.

Azo zaraina 2 izao hafatra izao:

1-JESOA NO MANOLOTRA NY FIAVIANY INDRAY HO ANTSIKA:

Hoy indrindra Izy hoe: “Indro”. I Jesoa, Ilay Andriamanitra tonga nofo avy nahavita ny iraka rehetra nampanaovina Azy no ho avy indray.

Inona avy moa ireo iraka nampanaovina Azy?

Ny famonjena ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotana, na ny anton’ny fahotana, ny fakampanahy, na ny vokatry ny fahotana: heloka sy ozona ary fahafatesana, sy ireo mpamafy fahotana: ny devoly sy ny miaramilany rehetra, dia noreseny avokoa ka afaka mandry ivohon’ny vato ny Kristiana rehetra.

Manamboatra toerana hovantanintsika.

Na dia efa vita aza ny famonjena dia mbola misolovava mifona ho antsika ny Tompo sady manamboatra toerana tsara hovantanintsika rehefa miala ety, izany hoe ,ao aorian’ny fahafatesana. Hoporofoin’I Jesoa ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra ao Aminy, Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay sady Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka nandresy hatramin’ny fiainan-tsy hita aza. I Jesoa Ilay Tompon’ny anarana handohalehan’ny lohalika rehetra na any an-danitra na ety an-tany ka nampanantena handray antsika izay mino Azy ho any Aminy.

2-I JESOA NO HAMALY NY TSIRAIRAY ARAKA NY ASANY.

Efa nambarany fa ho avy Izy hitsara ny olona rehetra ary tsy misy afaka miala ny amin’izany. Ny fotoana hiaviany dia tsy misy mahalala fa azo hiomanana tsara kosa araka ny efa nanambarany ireo famantarana izay tsy maintsy hiseho. Fa ny lehibe indrindra amin’izany, mamintina azy rehetra, dia ny hitoriana amin’izao tontolo izao  ny Filazantsara vao ho avy ny farany. Koa tsy ilaina ny mamantatra ny andro hiavian’ny Tompo fa  ny fiomanana no atao tsara.

Tsy ho ela io fa miandry ny rehetra hibebaka fotsiny ny Tompo ka rehefa afa-nenina Izy (namonjy antsika, nisolo vava antsika) dia ho avy amin’izay hitsara izany hoe hamaly ny olona amin’ny asany avy mba ho famaliana fitia ho an’ireo izay nankatoa Azy ary ho famaizana ireo nikiry tamin’ny ditran’ny fony. Tampoka tsy misy mahalala ary tsy ampoizina io fiavian’ny Tompo io ary izay no maha- haingana azy, na ho an’ireo mandavorary ny asa tsara amin’ny Filazantsara na ireo nihemotra na ireo variana sy sondriana amin’ny fiainana ka tsy mety mahita fitsaharana.  Ny ataon’ny Tompo amin’izany dia ny hamaly antsika amin’ny asantsika avy, toy ny olona mandoa ny karaman’ireo avy nanao ny asany.  Hanome ny valinasa sy ny fankasitrahana ary ny valisoa ho an’ireo izay naharitra hatramin’ny farany tamin’ny fanarahana Azy, tamin’ny nataony sy nolazainy ary ny niainany. Fifaliana lehibe sy faratampony ho antsika mino ny fiverenan’I Kristy. Hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany sy ny fahamarinany izany fa tena mahatana ny Teny nomeny Izy hahasoa antsika.

Koa mandra-piavin’ny Tompo dia miambina tsara isika ny amin’ny efa nandraisantsika ny lova lehibe ao amin’I Jesoa Kristy dia ny fiainana mandrakizay izay mandimby ny Paradisa. Mandra-piavin’ny Tompo ihany koa dia torio sy ambarao I Jesoa Kristy eo amin’ny sehatra rehetra, na izay nanirahany anao manokana na izay  iombonanao amin’ny hafa. Ataovy lavorary ny asa niantsoany anao satria tsy ataon’Andriamanitra mitovy ny manompo sy ny tsy manompo Azy (Mal 3: 18) ary « Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany« . (Heb 6: 10) Ny finoana tokoa  manko dia arahina asa: ny finoana no handraisana ny famonjena ary ny asa nateraka izany no hitsarana ka izay nanao ny tsara sady ankasitrahana no marina no mankany amin’ny fahasambrana mandrakizay fa izay tsy nanao izany kosa fa ratsy no nataony na zavatra hafa, dia any amin’ny fijaliana mandrakizay.

Koa herezo hatrany àry ry Havana,  « Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana« . (Mat 10: 8). Amen

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen

TARATASY PASTORALY

«  Mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. » III Jaona 2.

Misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fombany antsika tamin’ireo asa izay nanirahany ao anivon’ny Fiangonana. Ny KPMS FJKM, araka ny Tenin’ny Soratra Masina hoe : « Fa ataoko ahoana ny fijery ny loza hanjo ny fireneko » Estera 8 : 6a, dia manatanteraka ny asa nankinin’ny Fiangonana aminy.

Koa ireto no fanapahankevitra natolotry ny Komity Foibe nivory farany hiatrehana sy hoenti-manatanteraka izany.

Nohamafisina indray ny hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny ady atao amin’ny VIH sy ny SIDA eo anivon’ny FJKM.. Noanterina ny hanamafisana ny fanentanana ny vahoaka Kristiana manerana ny sahan’ny FJKM hanao fitiliana ny VIH/SIDA

Entanina ny vahoaka Kristiana hanao Fitiliana mandritra ireo Fihaonambe sy Zaikabe samihafa tanterahin’ny SSAA.Tohizana hatrany ny fananganana ny Komity KFMS (Komitin’ny Fitandremana  Miady amin’ny SIDA) sy KSPMS (Komitin’ny Synodamparitany Miady amin’ny SIDA).

Ny KPMS/FJKM dia mihazona hatrany ny foto-pinoana sy ny foto-kevitra maha-FJKM amin’ny fifampiraharahàna rehetra ataony.

Ampirisihina isika Fitandremana sy ny Fiangonana hanao ho zava-dehibe ny Alahadin’ny KPMS.

Mitohy hatrany ny fanofanana atao amin’ireo mpianatra ho Mpitandrina amin’ny toeram-panomanana

       -Fianarantsoa,

       -Mandritsara,

       -Ivato,

       -Ambatonakanga

                Ary koa amin’ny Ivon-toerana fanomanana Mpampianatra : IFRP.

Ny mpikambana ao amin’ny KPMS ihany koa dia manatanteraka fampianarana araka ny fanasan’ny Fiangonana, ny Synodamparitany, ny Sampana. Noezahana natrehana ireo fihaonamben’ny Sampana sy ny Sampana’asa, tao ihany koa ny fanofanana ary nisy taranja manokana nalefa tamin’izany, anisan’izany:

Ny fifampiofanan’ny Mpitandrina na ny “recyclage pastoral”.

Toeram-Panomanana Ivato: Oktobra –Desambra 2019.

Fivoriamben’ny SPAA10 : 13 Oktobra 2019 Kianja ANELOTSARA AMBOHITRIMANJAKA

Faha 50 taona ny DORKASY FJKM natao tao amin’ny FJKM ANDRAINARIVO ny 24 Oktobra 2019.

HAONA Fi: 30-31 Oktobra hatramin’ny 01-02 Novambra 2019.

Faha 200 taonan’ny SEKOLY FJKM natao tamin’ny 11, 12, 13 Novambra 2019 tao Fianarantsoa.

Nisy hatrany ny fandraisana anjara fanaovana fitiliana nandritra ireny fotoana ireny.

Misaotra antsika mpiara-miombon’antoka, mpiantsehatra, mpiara-manompo, mpanohana ara-bola.

Misaotra manokana ny ambaratonga mpiahy Foibe FJKM noho ny fahatsapan’izy ireo ny halehibean’ny asa ka dia nampiana ny mpiasa ao amin’ny Ekipa Teknika: nampiana mpandrindra mpanampy.

Raisina am-pitiavana ny fanohanana samihafa azontsika atao ary isaorana ireo izay nanao ny fanohanana ara-bola tamin’ny alalan’ny rakitra (atolotray ao amin’ny takila manaraka ireo Fiangonana izay nanao izany). Ny fanohanana ara-bola ataontsika dia afaka atolotra mivantana ao amin’ny rihana fahaefatra, Foibe FJKM, ao amin’ny Biraon’ny KPMS na arotsaka amin’ny Kaonty BOA: 05020 1 602281 000 9 42 KPMS/ FJKM. Fa ny fanohanana lehibe indrindra andrandraina amintsika dia ny fitondrana amim-bavaka sy ny firotsahana an-tsehatra araka izay ambaratongan-drafitra misy sy ny fiarahamonina manodidina.

Miara-misaotra an’Andriamanitra sy mangataka Aminy isika handavorary  ny zarafanompoantsika amin’ny alalan’ny fanompoampivavahana isam-pitandremana amin’ny Litorjia iombonana avoakan’ny Komity Foibe KPMS/ FJKM izay hatao ny Alahady 24 Novambra 2019.

Raha sendra misy ny fotoana mifanindry dia afaka manendry fotoana hafa.Dia samia homban’I Jesoa Kristy amin’ny fahasoavany sy ny fitiavany isika rehetra.

Ny KPMS FJKM dia mirary Krismasy sambatra sy taona vaovao omban’ny fahasoavan’ny Tompo ho antsika rehetra.

Amin’ny anaran’ny Komitim-Pirenena Miady amin’ny SIDA (KPMS/FJKM)

Ny Filoha:

Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV