Alahadin’ny SAMPATI 2019.

HAFATRA SY FANOLORANA

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika amen.

“Aoka hirehitra ny jironareo” Lio.12,35 ary “Miorena tsara amin’ny finoana” I Pet.5,9a

Misaotra an’Andriamanitra isika SAMPATI FJKM fa nomeny hery namakivakiana ny fotoam-piasana 2015-2019; ary izao isika nahavita ny Zaikabe sy Fihaonam-be ary Lasy Jobily izay niarahantsika nanatanteraka tao amin’ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao (SP.02). Isaorana araka izany ireo izay nandray antsika tamin’izany Hetsika Nasionaly izany; indrindra koa fa isika rehetra tonga niatrika. Koa indro ampiarahina amin’izao fandaharana iombonana izao ny “Hafatry ny Zaikabe VIII”.

Koa ankehitriny, mba ho fampandrosoantsika hatrany ny SAMPATI FJKM dia indro izahay manao izao hafatra sy fanentanana vitsivitsy izao:

MANANGANA : SORITR’ASA MAZAVA

Tena ilaina ho amin’ny fampandrosoana ny SAMPATI ny fananana Soritr’asa mazava, tsy ho afaka ny handroso isika raha tsy manana asa atao voafaritra tsara : ny mpanao ny asa, ny fe-potoana, refi-panatanterahana, filana ara-bola na fitaovana. Ny VINA na ny TANJONA iombonana dia miainga hatrany avy amin’ny FJKM FOIBE ary izany no miteraka tanjona manokana ao amin’ny SAMPATI, izay  iandrandrana vokatra isan-tokony, ary miteraka asa atao maromaro.

MANANGANA VAOMIERA

Ny fahaizana mandamina tsara hoy Tompo, no entinao miady, ary tsarovy fa ny mpitarika na mpitondra mahay dia mizara andraikitra. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo ny tsiarairay. Misy mantsy ny olona tsy nandalo skoto akory, kanefa vonona ny hirotsaka ho isan’ny SAMPATI, ka te-hanolotra ny fanomezam-pahasoavana ananany dia amin’ireny vaomiera ireny no hisy azy. Toy ireto manaraka ireto : Aim-panahyFanabeazana sy fanofananaFitantanana sy VolaTetik’asa sy hetsikaFitaovanaFifandraisana, ….

MANOKAFA SAHA VAOVAO, MIARA-MANDROSO « Jumelage »

« Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. » (Rom. 15:1). Handroso isika SAMPATI rehefa manana izany toe-tsaina fototra izany. Miteraka asa izany, izay manafoana tanteraka ny fitiavan-tena sy ny fiheveran-tena ho zavatra. Aoka isika SAMPATI rehetra izay efa mahatsapa fa tokony handeha hivoaka hanokatra saha vaovao sy/na hamelona izay mbola malemy hanatanteraka izany ; fa antoka lehibe handrosoantsika miaraka ary haingana izany. Tsarovy fa IRAY ihany isika dia maro aza ao amin’i Kristy (IKor.10, 17)        

MANAOVA TATITRA

Midika FAHAIZANA miasa ny fanaovana tatitra amin’ny tompon’andraikitra na ny ambaratonga mpiahy. Izany rahateo no hamaritana na handrefesana mazava ny fandrosoana, sy hanaovana tomban’ezaka : ireo tokony hanaovana tatitra : ireo asa vita, ny fitantanana ny vola, ny isa (statistika), lazao amin’ny teny fohy ny fandrosoana na izay mety ho tsy fahombiazana, atolory ao koa anefa ny soso-kevitra ho fanatsarana na vahaolana aroso. Manomboka izao dia tsy maintsy dingana na ezaka ny fanaovana TATITRA. Ny SAMPATI Fitandremana manao tatitra amin’ny SAMPATI Synodamparitany ary ny SAMPATI Synodamparitany manao tatitra amin’ny SAMPATI FOIBE. Atao isan-taona izany

FANENTANANA

Mba ho fanohanantsika ny FOIBE SAMPATI dia aza adinoina ny mitondra am-bavaka azy, sy mandefa ny rakitra isam-pitandremana  ary ireo adidy avy amin’ny Synodamparitany.

Dia manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa

Ny Filoha RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson Mpitandrina FJKM (JABADY Miremby)
Ny Tonia RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons Mpitandrina FJKM (FANDRASA Mikalo)

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SAMPATI

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 17 Novambra 2019.

Alh.XXII man.Trinite – SAMPATI

Lohahevitra: HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO

Feon-java-maneno

Hira SAMPATI

Ry havana, malala “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika Amen.

  • Hira: faha 200 Taona SEKOLY FJKM
  • Fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra
  • Sal.105, 1-5
  • Hira: FFPM: 6 “Avia miondreha”
  • Vavaka fiderana sy fisaorana
  • Sitrapon’Andriamanitra

Ry havana malala ,henoy amin’ny fanajana ny teny manambara ny sitrapon’Andriamanitra amintsika. Hoy ny Soratra Masina: « Manjaka mandrakizay amin’ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.  Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao. Tandremo ny famindrampo sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva. » (Sal. 66:7 – Hos. 12:7). Amen. Sambatra ny mahitsy lalana, ………………………………. Amen

  • Hira FFPM : 409 : « Ry zaza mpiodina, mba miverena »
  • Fiaiken-keloka

Vavaka fifonana

  • Hira FFPM: 403 “Ry Jesoa Tompo Tsara ô!”
  • Famelan-keloka

« Koa izao no lazain’i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin’ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy. Koa VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA. Amen » (Jer.15:19). Sambatra ny olona izay voavela ny helony….. amen

  • Hira FFPM: 499 « Inona re no hatakaloko »
  • Fanekem-pinoana : lah.3
  • Raharaham-piangonana
  • Rakitra : Hira SAMPATI, Hira Choral, Hira FFPM : 307 : « Iza no hanompo… »
  • Vavaka rakitra
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra 
  • Hira FFPM : 226 « Tompo ô, mba te hihaona »
  • Vavaka vakiteny
  • Vakiteny : Isa.35, 3-10 / Mar.13, 24-27 / Jod.14-15.
  • Hira FFPM : 190 :2 « Ry Jesosy mitenena »
  • Toriteny
  • Vavaka fangatahana : faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo
  • Asa vavolombelona
  • Famaranana
  • Hira FFPM : 336 « Ampodio izahay Jehovah »

Tsodrano : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy ; Tompontsika. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. » (1 Tes. 5:23-24)

Ho an’Andrimanitra irery ny voninahitra.  Amen

TORITENY

Isa.35,3-10

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika amen.

Ny Isa.35,3-10 no Soratra Masina handraisantsika ny hafatra amin’ity anio ity. Eto no ampisehoana amintsika ny Hery sy ny fahefana ary ny Asan’Ilay MESIA avy amin’ny taranaky i Davida, ka hisehoany ho Mpamonjy sy ho Mpanavotra ny olony amin’ny fahoriana mafy izay manjo azy ireo. Koa amin’izany Ilay Andriamanitra Tompo sy Mpamonjy dia:

1- MPAMPAHERY NY OLONY (and.3-4)

« Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.  Lazao amin’izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. » (Isaia 35: 3-4). Asan’Andriamanitra feno ny Fampaherezana ny olony ho fanomezan-toky azy manoloana ny fiainam-pahoriana sy ady ataon’ny fahavalony aminy. Tsy sitrak’Andriamanitra na oviana na oviana ny fijaliana sy ny fahorian’ny olony, ary amin’izany dia mandre ny fitarainany Izy « Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko …, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy … ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, … » (Eks 3: 7-8). Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, Hitan’Andriamanitra io fahoriana sy vesatra ary ady hatrehinao io, tonga eo aminy ny fitarainanao, tahaka izay nanjo ny zanak’Israely raha tany Egypta sy tany Babylona izy ireo. I Jesoa Tompo ry havana dia manao hoe : « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Mat. 11:28). Koa aza matahotra na manahy ianao fa indro avy amin’ny heriny  ny Tompo, midina hamonjy sy hanafaka anao ary hampahery anao, ka hampahatanjaka anao indray.

2- MAMPANDRESY NY OLONY (and.5-10)

Izay endrika fahalemena sy faharesena manjo ny olony dia RESIN’ANDRIAMANITRA avokoa izany rehetra izany. Ka ataony MPANDRESY ny olony. Ny maso jamba mahiratra, ny sofiny marenina tonga malady (mandre), ny moana hiteny sy hihoby, ny mandringa hatanjaka sy hitsabikina… ; ho feno ny fahamasinana ny olony…. tsy hisy liona na hiakaran’ny biby masika intsony ny taniny … SATRIA Jehovah no momba azy. Hoy ny Soratra Masina  « Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hœ: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: » (Isa. 41:9). I Jesoa ry havana malala ilay Mpampahery antsika ka manome antoka antsika manao hoe : « Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. » (Jao. 10:11) ary « … amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika. » (Rom. 8:37). Noho izany ry havana malala, aza matahotra fa Mpandresy isika satria manana ilay Mpandresy ao anatintsika. Vonona ny hampifaly anao mandrakariva ny Tompo (jereo and.10). Amin’izao Alahady natokana hitondrana ambavaka ny SAMPATI FJKM izao ry havana malala dia mitaona anao ny Tompo mba hivavaka ho amin’ny asa fanabeazana tanterahin’izany SAMPANA izany ; mba hahatonga azy hahery sy ho mpandresy sy ho Hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena tokoa, hamolavola olona ho vavolombelon’i Kristy, ho olom-pirenena vanona ary ho andrin’ny fianakaviana.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany ! Amen

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV