ANDRIANAIVORAVELONA J.

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA ( 1835-1897)


Teraka tao Ambohitromby tamin’ny 1 Janoary 1835 izy, zanak’Andrianavalona sy Razafimalala. Taizan’ny kristiana, namaky Soratra Masina sy tononkira maintimolaly, niaina ny fivavahana kristiana tao anatin’ny fanenjehana. 
Nanambady an-dRaketaka Ravelonanahary ary niteraka 16 izy mivady (anisany izany Joseph RABETAFIKA).Nianatra tao amin’ny Kolejin’ny LMS manomana ho mpitandrina ny 1869 na dia efa lehibe aza.Kristiana tao Ambatonakanga izy fa lasa mpivavaka tao Ambonin’Ampamarinana rehefa nijoro ny Fiangonana tao. Lasa mpitandrina tao izy (1866 – 1897), izy dia isany mpitandrina malagasy voalohany. Mpitoriteny mahery, “Spurgeon Malagasy”, mpamoron-kira kristiana maro hita ao amin’ny fihirana FFPM° izy. Resy lahatra fa tena Mpamonjy antsika Jesoa, mampahery antsika amin’ny fitsapan’ny fanenjehana, mampanantena antsika fiainana mandrakizay, tena tia tanindrazana izy.Nampiova fo olona maro izy: Najorony ny Fiangonana Protestanta Antranobirika Fianarantsoa. Maro no natao batisa tamin’ny toriteniny tany Imerimandroso Alaotra (1893). Sesehena no nilatsaka ho mpandray ny fanasan’ny Tompo tamin’ny toriteny tany Ambohimahasoa (1895). Niara-nanao ny tranovato tao Ambonin’Ampamarinana niaraka tamin’ny Fiangonana izy ary nitokana izany. Nandray anjara lehibe tamin’ny fanitsiana ny Baiboly Malagasy, Diksionera velona nipetraka. Maty sesitany tany La Réunion. Nitondra ny Fiangonana Ambonin’Ampamarinana nandritra ny 32 taona (1866 – 1897)

Webographie :
http://www.tsimihatsaka.org/fiangonana/mpitandrina/josefa-andrianaivoravelona-1835-1897/
___________________________________

°Namorina hira maro ao @ fihirana FFPM:
770, 472, 787 , 412, 234, 657, 514, 410 sy maro hafa

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV