Sahia mijoro ho FJKM !

Fanirahana Mpitandrina sy Mpampianatra 2019


Sahia mijoro ho FJKM


Natao tetsy Antsahamanitra ny alahady 28 jolay 2019 ny fotoam-pivavahana nanirahana mpiasa vaovao eto amin’ny sahan’ny FJKM.  » Kintana Maharitra » no anarana nisaloran’ity andiany ity. Mpitandrina 108 ka ny 49 avy amin’ny kolejy Teolojika, 60 avy amin’ny TPM Ambatonakanga ary mpampianatra 79 avy amin’ny IFRP no nandray ny iraka tamin’ izany. Ny filohan’ny FJKM sy ireo tonian’ny departemantan’ny fiangonana ary ny tonian’ny departemantan’ny sekoly no nanatanteraka ny fanirahana, Atoa Zarazaka Jean Louis Mpitandrina, Filoha mpanampy FJKM no nitarika ny fotoana manontolo. 

« Sahia mijoro ho FJKM » izany no hafatra avy amin’ny toriteny nataon’ Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi  Mpitandrina, Filohan’ny FJKM ho azy ireo sy ny fiangonana, ka samy ho sahy hijoro ho F : Fahazavana mahataona.- J : Jiro manazava, K : Kintana hamirapiratra, M : Mahatsinjo ny mandrakizay avy amin’ny Daniela 12.

Miha tsara ny vokatra sy ny kalitaom-mpampianarana, mitombo ny mpianatra 

Araka ny tatitra nataon’ Atoa Randriamampionona Alfred mpitandrina, filohan’ny komity fampianarana Teolojika KFT  dia nitombo ny mpianatra ny taom-pianarana 2018-2019: ho mpitandrina: 146 ka 126 no vaovao, ho mpampianatra 250.
Miroso hatrany amin’ny fanatsarana  ny fampianarana koa ny tompon’andraikitra, nisy ireo atrik’asa momba ny « plan stratégique » sy ny famaritana fandaharam-pampianarana natao niarahana tamin’ny fiangonana mpiara-miasa vahiny. Hisy fiovana ny rafi-pampianarana vokatr’izany. 
Manana toeram-panomanana mpitandrina 5 ary toeram-panofanana mpampiantra iray ny FJKM ankehitriny. Nanomboka ny taona 2011 dia niovaova ho L. M. D « licence – master- doctorat » ny rafi-pampianarana ao amin’ny ivon-toerana mpanofana mpampiantra FJKM IFRP, 75 ny mpampianatra ao. Efa manana ny « habilitation » avy amin’ny ministera ary manana tranokalam-pifandraisana www.esther-edu.mg koa ankehitriny, nambarany koa fa hisokatra tsy ho ela ny fianarana momba ny teolojia. Na izany aza dia mbola misedra olana ireo toeram-panomanana ireo noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa.

Veronica Andrianarison 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

FJKM ANTANAMBAO FAHAZAVANA AMBOHIMANGAKELY (SPAA12)