Taratasy fisaorana

Fisaorana noho ny fankalazana an’Andriamanitra

FJKM ZIONA VAOVAO PARIS

Andriamatoa Filoha mivady sy ny Mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM,

Andriamatoa Zarazaka Jean Louis mivady , Filoha Mpanampy ao amin’ny Biraon’ny MF

Andriamatoa Andriamampianina Zaka  Harimasy mivady , Mpanolotsaina ao amin’ny Biraon’ny MF

Ireo Solontena  avy amin’ny FFPME  sy avy amin’ny FLME ary avy amin’ny EPUdF,

Ny Filoha Mpanampy sy Mpikambana ao amin’ny Biraon’ny SP VFA (37)

Ny Mpitandrina mpiara-miasa rehetra ato anatin’ny SP  VFA (37),

Ireo vahiny nasaina manokana : Mpitandrina  sy Tsy Mpitandrina ombam-bady avy,

Ireo Solontena-piangonana rehetra avy atto amin’ny SP VFA 3,

Ny Biraon’ny Fiangonana sy ny Mpihevidraharaha,

Ny Filoha sy ny Birao ary ny Komity Mpanomana ny Jobily Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina,

Ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo sy ny Sampana Enina ary ny vahoaka kristiana rehetra  eto amin’ny FJKM ZIONA  VAOVAO PARIS,

Ry Havana rehetra ao amin’ny Tompo,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra  Ray sy Jesoa Kristy Tompo(Efes 1/3),

Izahay  RAKOTONIRINA  Charles  mivady Mpitandrina , sy ireo zanaka aman-jafinay , dia tena   nahatsiaro  fa notahian’Andriamanitra manokana ka  dia feno fifaliana lehibe   tokoa  tamin’ny fahatsiarovanareo tamim-bavaka  iny  andron’ny  ASABOTSY   08 JONA  2019 iny , izay nankalazantsika an’Andriamanitra Ray  noho ny ivon’ny Jobily Fisotroan-dronono  natao tao amin’ny Chapelle St Charles, tao Athis Mons.

Misaotra indrindra  tompoko fa sarobidy aminay  ny fitiavana nasehonareo tamin’ny alalan’ny fahafoizana fotoana sy fandavan-tena lehibe ka nampandeferanareo  ny fandaharam-potoananareo  araka ny tandrify anareo avy , dia  ireo Raiamandreny avy amin’ny Biraon’ny MF, sy ny SP VFA (37), ary fandraisam-pitenenana avy amin’ireo solontena rehetra tonga.

Tena mankasitraka  dia mankasitraka  ny fanomezana natolotrareo hiatrehanay ny ho avy ka hiatrehana ny fisotroan-dronono ao aorian’ny fitsaharana amin’ny Asa maha-matihanina amin’ny maha-Mpitandrina miandraikitra fitandremana sy ao anaty ambaratongan-drafitra.

Feno hafaliana  loatra ny fo sy saina amam-panahinay  mianakavy  kely  ka tsy mahita  ny teny ampy  ho enti-misaotra anareo , fa dia Jesoa Kristy Tompo Ilay Lohan’ny Fiangonana sady Mpamonjy sy Tompontsika rehetra anie hamaly soa sy fitia ho aminareo rehetra, « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo  sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany » Heb 6/10.

Misaotra dia misaotra tompoko .

Koa « Ary  ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana  mandrakariva amin’ny zavatra rehetra » (2Tes 3/16).

Rakotonirina J.Charles mivady sy ny ankohonany .

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV