Kolejy Teolojika Ivato

Hividy fanamafisam-peo

ny Fikambanan’ny Mpiomana ho Mpitandrina

Nanatanteraka “Sakafom-piombonana” ny Fikambanan’ny Mpiomana ho Mpitandrina eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato tamin’ny Sabotsy 11 may 2019 teo, izay natao tao an-toerana ihany. Tanjona amin’izany ny hividianana fanamafisam-peo hapetraka ho fananan’ny toeram-panomanana. Fitaovana tena ilaina tokoa izany, hoy Atoa Andriamamonjisoa Feno Hasina, Mpiomana ho Mpitandrina taona faha-4 sady Filohan’ny Fikambanan’ny Mpiomana ho Mpitandrina, satria hatramin’izay dia nanofa fitaovana hatrany izy ireo kanefa maro ny hetsika atao ao an-toerana.

Mitentina 6 tapitrisa ariary ny vidin’ny fitaovana manontolo. Efa nanomboka nanao hetsika famoriam-bola ho amin’izany ny andiany tamin’ny herintaona, manohy izany ny andiany ankehitriny amin’izao sakafom-piombonana izao, ary raha mbola tsy feno io lelavola io dia hanohy ny hetsika indray ny andiany manaraka eo mandra-pahatratra ny tanjona. Fananana iombonana antsika FJKM ny toeram-panomanana tahaka ity eo Ivato ity, hoy hatrany ny fanazavana .

Koa entanina araka izany ny mpino kristiana rehetra hahay hifanohana amin’ny asa toy izao. Mankasitraka ihany koa ny mpianakavin’ny finoana izay nanotrona izao sakafom-piombonana izao ny Fikambanan’ny Mpiomana ho Mpitandrina eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.

Ntsoa Fanomezantsoa, SF

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV