SP Ambatondrazaka vaovao

FJKM AMBOHIMIANGALY ZOARA

Avy amin’ny Sekoly FJKM no niorenan’ny fiangonana

Ao anatin’izao vanim-potoanan’ny Jobily faha-200 taonan’ny Sekoly FJKM izao dia tsara ny manamafy fa anisan’ny nampahomby ny fidiran’ny filazantsara teto Madagasikara nentin’ny misionera LMS ny fiorenan’ny Sekoly Protestanta.

Tahaka izany indrindra koa ny tantaran’ny FJKM Ambohimiangaly Zoara SP Ambatondrazaka satria ny mpampianatra sy ny mpianatra tao amin’ny Sekoly FJKM Ambohimiangaly no fototra niorenan’ny fiangonana. Nanamarika ny faha-40 taonany ny fiangonana tamin’ny taona 2013.

Izy no zandriny indrindra amin’ny taona amin’ireo FJKM efatra ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka kanefa izy kosa no malalaka indrindra noho ilay trano fiangonana vaovao vita tamin’ny taona 2004 izay sady nampiantrano ny Synoda Lehibe 2004 tany Ambatondrazaka.

Ny trano fiangonana tranainy dia tsy rava akory fa navadika ho akany ankehitriny. Ao koa ny trano natao tsangambaton’ny faha-40 taona atao toeram-piofanana sy fandraisam-bahiny ary fanaovana lanonana. Mbola mitohy kosa ny asa fanatsarana ny tokontany sy ny atitrano mbamin’ny dabilio.

Andriamatoa Kotovao Razafindrabe, Mpitandrina, no mitondra ny fiangonana nanomboka tamin’ny taona 2008 izay manazava fa mahatratra 2000 mahery ny kristiana ao Ambohimiangaly Zoara amin’izao fotoana izao ary 700 mahery amin’ireo no mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Velona avokoa ny sampana valo sy ny AFF ary ny fikambanan’ny mpitoriteny sy katekista. Anisan’ny sampana mavitrika ny SVM izay vao avy nanao tafika masina tany Amboarabe, ny Sekoly Alahady tany Antanjona, ary ny STK tany Andingadingana. Ny fiangonana reniny koa dia nandray anjara tamin’ny tafika masina indroa miantaona nifarimbonan’ny FJKM sy FLM ary EEM tao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka.

Amin’ny ankapobeny mantsy dia mivavaka ny ankamaroan’ny olona saingy eo ihany koa ny fahalovana samihafa mbola manjaka any anaty fiaraha-monina any. Izany indrindra no ankaherezana ny rehetra amin’ny famontosana filazantsara ny Nosy Madagasikara.

Niry Rakoto, SF

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV