Sekoly Protestanta FJKM / 200T

Hosokafana ny jobily faha -200 taonan’ ny Sekoly FJKM

« Mahareta tsara…mandra-piavin’ny Tompo » Jakoba 5 : 7a

Ho sokafana amin’ny fomba ofisialy sy amin’ny fombam-piangonana ny jobily faha-200 taonan’ny sekoly protestanta FJKM izay hifanindran-dàlana amin’ ny fankalazana ny andron’ny sekoly FJKM. Amin’ity taona 2019 ity.  Ireo dia samy hatao any Tsiroanomandidy ny 26-27-28 Marsa 2019.

Hosokafana amin’ny fanompoam-pivavahana  izany ny Talata 26 Martsa 2019 ao amin’ny stady kaominaly Tsiroanomandidy. Efa vita ny hira faneva, ny sary famantarana ny fankalazana ary misy ny dihy mirindra homanin’ny mpianatry ny sekoly FJKM « flash mob » hatao amin’io fotoana io, fifaninanana ara-panatanjahantena maro samihafa izay ao anatin’ny fanamarihina ny  andron’ny Sekoly FJKM rahateo izany .

Fambolen-kazo teny Ankazobe

Fambolenkazo tao Andranofeno Sud

Naneho fiombonana ny fianakaviamben’ ny sekoly FJKM izay notarihin’ny Foibe Fitondran-tsekoly FJKM  ka tontosàna ny fambolen-kazo izay natao ny zoma 22 Febroary 2019 lasa teo tany Andranofeno Sud / FPMP-34. Tsy nahasakana ny asa natao ny orambe tamin’io fotoana io. fambolena hazo fihinam-boa, fanaovana fanjohiana ireo hazo teo aloha, fitoriana ny filazantsara arahina fizaràna akanjo sy kojakoja samihafa ho an’ireo olona any an-toerana no tena nananmarika io fotoana io. Ny sekoly IFR dia anisan’ izay nandray anjara mavitrika tamin’izany.

fifiAV

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV