Ny asan’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Janoary 2026
Sal 100 / Hira 194 1,2 / Vavaka / Mofonaina/ Vavaka / Hira 335
1 Korintiana 12,1 - 6
1 [Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa] Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo. 2 Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo. 3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. [* Gr. anatema] 4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.Ny asan’ny Fanahy Masina
1-Mampanaiky ny olona hino an’i Jesoa ho Tompo
Ambaran’i Paoly eto fa fony mbola mpanompo sampy ireo olona iresahany taloha dia nihevitra fa tena andriamanitra tokoa ny sampy nivavahany. Rehefa mandray ny Fanahy Masina kosa ny olona dia tonga mpino ka manaiky fa i Jesoa ihany no Tompo, ary tsy manana hevitra manohitra izany izay olona iasan’ny Fanahy Masina. Tsarovy fa na isika aza fahiny dia efa nisy fotoana nandavana an’i Jesoa tsy ho Tompo; ary tsy nety nanao ny sitrapony satria mbola niasan’ny fanahy ratsy. Rehefa nanaiky hiasan’ny Fanahy Masina anefa isika dia nanaiky fa i Jesoa no Tompo, ka nanolo-tena ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo.
2-Mizara fanomezam-pahasoavana
Rehafa nanolo-tena ho an’ny Tompo ny mpino, ka tonga mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia mitombo amin’ny zava-panahy mba hahafahany manompo an’Andriamanitra amin’ny fotoana manokana sy asa manokana. Ampafantarin’i Paoly fa ireny dia tsy noho ny ezaka ataon’ny olona loatra na fanehoana izay mampiavaka azy, fa fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hahafahan’ny mpino rehetra manao ny asa fanompoana isan-karazany araka ny fanomezam-pahasoavana nomena azy. Andriamanitra tokana no omem-boninahitra amin’ireny asa ireny, ary tokana koa ny Fanahy nanomezana izany.
Fanontaniana:
Inona no fanomezam-pahasoavana napetraky ny Fanahy Masina ao aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe