Foibe FJKM : Hiatrika ny taom-piasana 2026

Nosantarina tamin’ny Fanompoam-pivavahana fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra ity fotoam-piasana 2026 ity androany Talata 06 Janoary 2026.

Tao amin’ny Fiangonana FJKM Katedraly Analakely no nanatanterahana izany. Nifarimbona tamin’ny fanompoana ny Tonia sy Talen’ny SSA, nizara ny hafatra ho an’ny Ankizy sy tanora ny mpandraharaha tao amin’ny Sekoly Alahady ary nitondra hafatra (toriteny) kosa Andriamatoa RAKOTONAVALONA Maholy, Mpitandrina – Filoha Mpanampy ao amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe.

Lasa izao ! Fanentanana ny mpiara-miasa tsy ho voasariky ny fahazaran-dratsy ka hiraviravy tanana manoloana ny fahasarotana no nataon’ny mpitory teny. Ny finoana no hery tsy hay tohaina hahavitana ny zavatra rehetra. Ary amin’ny fotoana mahavery hevitra sy maha-tapi-dala-kaleha indrindra no tena isehoan’ny finoana.

Notanterahina tamin’ity fotoana ity ihany koa ny fiarahabana ireo Raiaman-dreny eto amin’ny FJKM. Na ireo tompon’andraikitra teo aloha na ireo amperinasa.

Finoana mamokatra : Mamokatra tsara – Mamokatra be – Mamokatra tsy tapaka

Teny fanoitra ho antsika Kristiana FJKM rehetra.