Fihaonan’ny Zanaky ny FJKM 2018.
Tontosa ny fihaonanâny zanaky ny FJKM
manana andraikitra eto aminâny firenena
â Koa aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsika âŠ
Ny fahamarinana manandratra ny firenenaâ II Tim . 1:8a , Oha 14: 34a. Io no teninâAndriamanitra nofidiana taminâny fihaonana voalohany niarahana taminâireo zanaky ny FJKM manana andraikitra eto aminâny firenena ny Sabotsy 17 Martsa 2018 lasa teo teny aminâny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Andriamatoa RANDRIAMAMPITA Tovomanjato, Mpitandrina, vaomieranâny fiainam-pirenena no nitarika ny fotoana, ary ny Mpitandrina Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, filohanâny FJKM no nitondra ny hafatrâAndriamanitra, izay nalaina tao amin’ny mofonâaina taminâio Sabotsy io dia tao amin’ny Salamo 25:4-11. Ny tantaranâi Davida mpanjaka no niaingana ary nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Andao isika ho tomponâandraikitra tahaka anâi Davida ». Tompon â andraikitra araka izany ny kristiana aminâny voninahitrâAndriamanitra, ary koa ny fahotanâny tenany fa indrindra ny fibebahana ataony.
Araka ny fanazavanâny filohanâny FJKM, dia natao izao fampivondronana izao mba tena ivelomana ilay teny faneva hoe âVontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikaraâ, ka aminâny sehatra rehetra no tokony ahitana taratra izany. Izay rahateo no voalazanâny Soratra Masina hoe â Aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsikaâ.
âInona no anjara biriky tokony ho entintsika aminâny maha kristiana FJKM antsika eo aminâny fiainana ivelomanâny firenena, eo aminâny lafiny samihafa?â. Ny valinâio fanontaniana io no tena nandrasana taminâireo zanaky ny fiangonana. Izay nahitana loholona miisa 2 sy solombavam-bahoaka miisa 5, tomponâandraikitra ambony eto aminâny firenena sy ny maro hafa. Izy ireo izay nosokajiana ho 12 araka izay sehatra misy azy avy. Rehefa vita ny dinidinika dia namoaka fehin-kevitra ny isan-tsokajy izay hoarafitra anaty boky ka haparitaka eraky ny nosy ahafahana manampy ireo zanaky ny fiangonana rahateo mba hijoroany ho vavolombelonâi Jesoa Kristy sady ho voninahitrâAndriamanitra. Taorianâity fihaonana ity dia tapaka fa hotohizana isan-taona ny fihaonana tahaka izao.
Tombony ho anâi Madagasikara ny manana olom-pirenena vanona sy matahotra anâAndriamanitra fa anisanâny tena mampandroso, ary mitarika ny fahombiazanâny firenena indrindra koa ny fananana mpitarika kristiana tena sahy mijoro aminâny fibebahana, ary ho vavolombelonâi Jesoa Kristy aminâizay rehetra ataony mba hanehoana ny voninahitrâAndriamanitra.
Hasina ANDRIANAMBININTSOA
(Santatra Fahazavana)