Fanavaozana trano/ Ampandrana
Fitokanana sy fanavaozana ny trano fonenan’ny Mpiasa FOIBE
Iray aminâireo asa tontosainâny Komity maharitra mikasika ny fampandrosoana eo anivonâny
FJKM no notokanana araka ny fombam-piangonana ka niderana anâAndriamanitra teny an-toerana
niarahana taminâireo olo-manankaja maro eo anivonâny Fiangonana, izay notarihinâny Filoha FJKM,
Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI, Mpitandrina.
Asa fanatsarana ny endrika ivelany taminâny alalanâny lalotra sy loko no natao ary nisy ihany
koa ny fanamboarana trano fidiovana ho anâireo tokatrano tsy nisy izany. Marihina fa tsy natao
ambanin-javatra ny tontolo maintso ho fanatsarana ny tontolo ivelany, ka hazo fihinamboa isan-
karazany izay miavaka tokoa no nambolena teny, izay fanomezana avy aminâny Amerikana Atoa
Dan Turk. Fianakaviana 15 isa ireo mpiasanâny FJKM monina eny, ary misy ny fikambananâny
ankohonana mipetraka eny an-toerana, izay hiandraikitra ny fikojakojana ny tanĂ na aminâny ho avy,
ka mitarika izany fikambananâny mpiray tanana izany ny Filoha Atoa RANDRIAMALALA Josoa.
Marihina fa âFiadananaâ no anarana nofidinâny mpiasa monina eny an-toerana.
Nanomboka ny Sabotsy 22 Novambra 2022 ny asa fanatsarana ny tanĂ na fonenanâireo
mpiasanâny FJKM ka ny Talata 07 Martsa 2023 izany no notokanana araka ny fomam-piangonana
ka teo an-tokotanibe.
Ny Filoha mitarika ny komity Foibe misahana ny fampandrosoana, dia Atoa RABENORO
DAVID ary ahitana vaomiera 4, ao anatinâizany komity maharitra izany, dia : 1/ Vaomiera Vola. 2/
Vaomiera Mpiasa. 3/ Vaomiera Fananana. 4/ Vaomiera Fampandrosoana .
ILAIMAZOTO ËSFË