FANAMBARANA
FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
EGLISE DE JESUS CHRIST A MADAGASCAR
CHURCH OF JESUS CHRIST IN MADAGASCAR
<<MahefĂ be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo» (1 Kor 15:58 d)
Antananarivo, faha 12 Oktobra 2025
FANAMBARANA
Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.
Ry havana Kristiana sy Vahoaka Malagasy.
Taorian’ny zavatra nitranga omaly hariva izay niainantsika mianakavy dia manao izao fanambarana izao ny Foiben’ny Fiangonana Jesoa Kristy eto Madagasikara
Voalohany, misaotra an’Andriamanitra, fa na dia teo aza ny fifandonana mafy sy mahery vaika tetsy sy teroa izay namoizana aina sy naharatrana olona maro, dia mbola nanjaka ny fahendrena ka tsy tonga amin’ny ady an-trano na fifamonoana izay nahintsika mianakavy izany. Koa isaorana antsika ny fifehezantena sy ny fifandeferana tsy hifanararaotra tao anatin’izany toe -javatra sarotra izany.
Faharoa, miaraka ory sy manao fo miara misento amin’ireo namoy aina sy naratra ny FJKM. Miombona amin’ny Fiangonana rehetra miray ao amin’ny FFKM, amin’ny fanamelohana ny herisetra, sy ny famonoana ary ny fandrobana. Ny FJKM dia eo anilan’izay ampahoriana toy ny ondry tsy misy mpiahy. Ary mivavaka ny tsy hisian’izany intsony.
Fahatelo, vahoaka iray ny Malagasy, samy mino Andriamanitra Iray Izay Tompon’ny aina. Nataony iray teny sy mpandala ny Fihavanana isika. Angatahina ny tsy hahasimba izany Soatoavina iraisantsika Malagasy sy ny Kristiana izany.
Farany, dia mitaona ny tsirairay mba ho tony sy tsy hifandranitra ary hampiato ny fihantsiana samihafa.
Ny Tompo Jesoa anie hampahita antsika ny lalan-kizorana hahasoa ny firenena sy ny isan-tokantrano, hanjakan’ ny fahamarinana sy ny firaisan-tsaina ary ny fifampiheverana.
« Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra «Â
Rom 12,18
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe,
Ny Filohan’ny FJKM
ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina
