Fanamarihana ny ANDRON’NY VEHIVAVY 2026
Ny Sampana Dorkasy FJKM Foibe, ho fanamarihana ny Andron’ny Vehivavy 2026, dia mikarakara hetsika lehibe. Hisy fampianarana iarahana amin-dRamatoa ANDRIAMAMPIANINA Fara (Vadin;ny Filohan;ny FJKM), hisy fizahana ara-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny vehivavy (Tosidra, Diabeta, sns). Hisy fanentanana isan-karazany (vako-drazana, … ) Hisy ihany koa ny varotra samihafa ary hisy fanamiana iombonana.
Hotanterahina ny Sabotsy 07 Febroary 2026 manomboka amin’ny 8 ora 30 eny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA – SP Antananarivo Atsinanana ny hetsika.
Ho fandraisantsika Dorkasy anjara amin’ny Asa Sosialy dia hamangy ny Fonja eny ANTANIMORA isika ary hitondra anjara biriky ny tsirairay. Ny fandaminana dia havazaina amintsika eny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVAkA ihany. Ento ny lamba (fitafy na firakotra) sy PPN izay azonao atolotra. Raisina eny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA avokoa ny fanomezana entintsika tsirairay.
«Fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.» 1 Korintiana 15, 58d
Ny Tonian;ny Sampana Dorkasy Foibe