SP IA19/ Fiofanan’ny Biraon’ny Sampana
Synodam-paritany Iarivo Avaradrano
VINA:Â
« Sampana isam-pitandremana
mino, mamiratra ary manompo »
Ny zava-misy ankehitriny dia vitsy ny mpikambana ao anaty sampana raha mitaha aminâ ny isanâ ny kristiana ao am- piangonana,tsy mahasarika olona ho mpikambana ny sampana ary na dia ny efa mpikambana aza dia mangatsiatsiaka . Izany no anisany naharesy lahatra ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano nitondra fampiofanana ho anâny Biraonâny Sampana rehetra isaky ny fitandremana ao anatinâny SP.19 ny Sabotsy 31 Martsa 2018 teo tetsy aminâny FJKM Ambohipanja fitiavana.
Tari-dĂ lana sy toromarika ary vahaolana no nifampizarana taminâizany mba hananana sampana: âmanam-pinoana, mamirapiratra, mirotsaka an-tsehatra aminâny fanompoana ary hisy asa vaovao aterakâizany rehetra izanyâ. Mila birao resy lahatry ny Filazantsara ny sampana, vontom- pinoana, vonona sy mahatsapa tena, mandray ny fampiofanana tanterahanâ ny Mpitandrina na Katekista Delege maharitra sy mitohy mba hatanjaka ny foto- pinoana sy ny fanoloran- tena, manaraka drafitra sy rafi-pitantanana mazava ary manana fomba fiasa mirindra.
Nantitranterinâny PrezidĂ Synodaly Rabetokotany Miharilaza Mpitandrina fa Jesoa Kristy no fototra hijoroanâny fiangonana sy ny Sampana ary Sampanasa. Koa maty ireo raha tsy mamaka tsara ao aminâny Tompo satria mifaningotra aina.
Mikendry ny hitaona ny olona rehetra handre ny teninâAndriamanitra ny SP 19, ka ireo hanapa-kevitra handray anâi Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra eo aminâny fiainany eny anivonâny sampana misy azy. Ary hataonâny isan-tsampana ho zava-dehibe kosa ny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-mandinika Soratra Masina, ny fampianarana, ny fanofanana ary ny fiaraha-miasa aminâny mpanomponâAndriamanitra . Marihina fa vao avy nampiofana ireo Biraom-piangonana isam-pitandremana koa ny Synodam-paritany faha-19. Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Veronica Andrianarison
 (Santatra Fahazavana )