Sampati / Fihaonambe sy 30 T
Miorena tsara aza miova » Ikor.15, 58
« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12, 35

« Mitsangà na mihazavà fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava » Isa.60, 1 ; ITes.5, 5
FIHAONAMBE SY FAHA-30 TAONA SAMPATI FJKM
Misaotra anâAndriamanitra isika SAMPATI FJKM fa nahatanteraka ireo asa rehetra sy ny
hazakazaka masina rehetra nataontsika. Teo tokoa Andriamanitra nanampy antsika nentina
nahatanteraka izany.
Sitraka indrindra ho antsika tomponâandraikitra rehetra nahavita ny adidy sy nahatanteraka ny
andraikitra rehetra, ny Tomponâny Fiadanana anie hamaly fitia antsika rehetra.
Hiatrika sy hamonjy ny FIHAONAM-BE NASIONALY ary FAHA-30 TAONA SAMPATI FJKM isika.
- Daty : 10-13 Aogositra 2023.
- Toerana : Antananarivo ANDREFANA SPAA.10 (FJKM Ialanana)
Toy izao ireo fifaninanana : - SORATRA MASINA : Ny Bokinâi Isa.60 sy ITes 5 ; no hanaovana fifaninana
- KOLO TALENTA : vako-drazana ka hira noforonina fa tsy nadika na novĂ na ny tonony, tsy ho
feon-kira lafika no atao fa tendrena na atao tanana eny an-toerana mba hisianâny fitoviana sy ahitana ny
fanehoana ny talenta, Fitafy Malagasy no hanaovana ary izay rehetra atao dia mampiseho hatrany ny
voninahitrâAndriamanitra - FANATANJAHAN- TENA :
â Sampana mavo: scouting- ball,
â Sampana maitso : foot Ă 7,
â Sampana mena sy menafify: basket- ball ka âmixteâ,
â Olon-dehibe (ireo mpitantana sy mpanohana) : âpĂ©tanqueâ.
â Carnaval (ho anâny rehetra): aseho ny fitafy sy izay mampiavaka ny isam-paritany na
faritra nihaviana ; Synodamparitany.
Aminâny zavatra rehetra izay hatao dia tsara raha mifantoka hatrany isika ny teny faneva ny
faha-30 taona hoe : « Mitsangà na mihazavà fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava » Isa.60, 1 ;
ITes.5, 5.
Fitaovana hiomanana : Baiboly sy fihirana, kahie sy stylos, fitaovam-pihinanana, fandrahoana,
fanafody, tanty sy izay mety ho fitaovam-pilasiana snsâŠ.. Sara-pisoratana anarana 2000 Ar (ahazoana
Badge, toerana fonenana na hamelarana tanty. Marihina manokana ho anâireo solotena avy aminâny
Synodam-paritany hiatrika ny fifaninana dia tsy maintsy manana ny KARATRA maha Mpikambana ao
aminâny SAMPATI FJKM.
Hisy ihany koa ny vokatra na foaram-bokatra : koa aoka samy hitondra ny vokatra
mampiavaka ny faritra ny niaviana, na mety ho vokatry ny tany, asa-tanana, fitaovana samihafaâŠ
Miomana hatrany fa misy ny Tee-shirt, Polo, folara faha-30 taona ary ireo articles sy Boky
samihafa amidy any an-toerana.
Tsara indrindra raha tonga aty aminâny foibe SAMPATI mialohanâny faranâny volana Jolay 2023
(31/07/23) ny fisoratana anarana (ahafafantarana ny isantsika ao anaty listra isaky ny Synodamparitany,
ho fanomanana ny fandraisana)
Dia manao veloma finaritra aminâny anaranâny Tompo Jesoa
Ny Filoha
RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson, Mpitandrina FJKM
(JABADY Miremby)
Ny Tonia
RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Seraphin ,Mpitandrina FJKM