Vita ny famonjena
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Aprily 2026
Sal 105: 1-8 / Hira 42,1-2-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF32
Lioka 23,44 - 49
44 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany, 45 satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly. 46 Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. 47 Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io. 48 Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra. 49 Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.Zoma 03 Aprily 2026
Sal 105: 1-8 / Hira 42,1-2-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF32
Lioka 23, 44-49
Maizina ny tany rehetra
Ambara eto fa nanomboka tamin’ny ora fahaenina hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny aizim-pito ny tany, izany hoe nanomboka tamin’ny 12 ora ka hatramin’ny 03 ora tolakandro orantsika izany. Fantatsika tsara fa amin’izany ora izany dia tokony hibaliaka be ny masoandro. Mifanohitra amin’izany anefa ny misy eto satria voalaza fa maizina tanteraka ny tany. Izany aizina izany dia ilazana fa na dia nomena ny fahazavana aza ny olona dia nifidy ny aizina hatrany. Manamarina ny Tenin’i Jesoa Kristy indrindra izany: tonga tamin’ny olona ny mazava nefa aleon’ny olona ny mazina satria ratsy ny asany (cf Jao 3. 19) ary izany fisian’ny maizina izany koa dia mampiverina indray ny tany amin’ny fahafoanana tahaka ny tamin’ny voalohany (cf Gen 1. 2)
Nanolotra ny ainy i Jesoa Kristy
Nanaiky ho faty anefa i Jesoa Kristy hisolo vaika ny olona mpanota sy feno faharatsiana na dia teo aza ny fandavan’ny olona Azy. Nahatanteraka ny asa fisoronana nanirahana Azy Izy mba hahasoa ny olona. Nanapa-kevitra ny tsy hamerina ny olona ho ao anaty fahamaizinana indray i Jesoa Kristy na dia nifidy izany aza ny olona, koa indro Izy nahafoy ny iainy mba hamonjy ny olona kosa. Nanaiky izany ity miaramila romana izay nanatrika ny zava-nisy teo. Ireo olona hafa nanatrika teo koa dia nanaiky izany fitiavan-dehibe tao amin’i Jesoa Kristy izany, izay natolony ireo mino Azy rehetra.
Fanontaniana
Nahafoy ny ainy ho an’iza i Jesoa Kristy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady