Toro-lalana sy antson’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Febroary 2026
Sal 106,1-5 / Hira 1:1,4,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489
Amosa 5,14 - 15
14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo. 15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]Toro-lalana sy antson’Andriamanitra
Izao mofonaina izao dia toro-lalana sy antson’ Andriamanitra amin’ny vahoakany hibebahany, mba tsy hiharan’ny fandravana :
1. Miaina amin’ny fahatsarana
Nanjaka loatra ny faharatsiana maro samihafa tamin’ ny andron’i Amosa. Hany ka tsy hita teo amin’ny fiaraha-monina intsony izay atao hoe << tsara >>. Toy ny very mihitsy ka asaina tadiavina. Lasa mahazatra sy toy ny fiainan’ny maro ny manao ny ratsy ka hitaomana ny olona mba hankahala izany fa ho tia ny tsara kosa. Tena nijaly ireo mahantra noho ny hamaroan’ny haratsiana mitranga. Milaza izy ireo fa miaraka aminy Andriamanitra kanefa tena ratsy ny fitondrantenany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany. Tamin’ny fahatsarana rehetra no noharian’Andriamanitra izao tontolo izao, ary tiany mbola hitoetra izany. Izy no Ilay Tsara sady Mpanao ny tsara. Andeha hiverina tanteraka ao Aminy ka hanararaotra hanao ny soa sy ny tsara eo amin’ny fiaraha-monina.
2. Mampanjaka ny rariny
Tena nanjaka loatra ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana ka tsy hita intsony ny marina sy ny rariny teo amin’ny fitsarana. Ny mpitsara dia tsy manao ny asany araka ny lalana fa voavidy. Nialana tanteraka ny fahamarinana, ka natao tsinotsinona izay mba milaza ny marina. Tena maharary an’Andriamanitra ny fampahoriana ireo mahantra. Marina amin’ny fitsarany ny Tompo koa raha miverina amin’ny fahamarinana ireo sisa dia hamindrana fo Izy. Ny fankatoavana an’i Jesoa, Ilay hany tokana Fahamarinana no tsy hahalany ringana antsika eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra. Koa sahia mijoro sy mampanjaka ny fahamarinana miaraka amin’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Nahoana no matahotra manao ny ara-dalana sy ara-drariny ny olona maro, na dia Kristiana aza?
Sampana Sekoly Alahady Foibe