Toe-panahy mila hananan’ny mpino

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Aogositra 2026

Sal.119:33-40 / Hira 437.1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336

1 Mpanjaka 2,1 - 4
1 [Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: 2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy. 3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, 4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

Toe-panahy mila ananan’ny mpino

I Solomona no nomen’i Davida fitokisana handimby azy amin’ny fanjakany. Izy ihany koa no nomen’Andriamanitra fitokisana hanao ny Tempoly izay nokasain’i Davida.

Izany fitokisana roa sosona izany no tsy maintsy hijoroany ho mahatoky ka nampirisihana azy hanana toe-panahy:

1- Mijoro amin-kery

Hoy Davida:  » mahereza hianao, ary misehoa ho lehilahy » (and.2) na hoe: « hiseho ho tena lehilahy » (DIEM)

Asa lehibe sy mankadiry ireo miandry an’i Solomona ireo, ka tena ilaina ny fijoroana ho mahatoky. Manomboka amin’ny toetra ao anaty ny fanehoana ho mahatoky fa tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny (tena lehilahy), nefa koa mila ijoroana vavolombelon’ny hery ao anaty izany (hiseho ho…). Toa an’i Jesoa Kristy nanao ny asa nanirahan’ny Ray Azy, dia mila ny Fanahy Masina hampahery isika, eo am-panombohana (Matio 3, 16) na eo am- panatanterahana (Lioka, 4, 1) mba hahajoro ho mahatoky, na dia hatramin’ny fahafatesana aza (Asan’ny Apostoly 1, 8)

2- Mitandrina ny didin’Andriamanitra

Fikasana lalina tao anatin’i Davida ny hanorina Tempoly ho an’Andriamanitra saingy nolavina (1 Mpanjaka 8, 17-19). Nekeny izany! Tsara tokoa ny manam-paniriana hanao asa ho an’Andriamanitra, fa tsara kokoa noho izany ny fanekena ny sitrapony. Antoky ny fahombiazana amin’izay atao sy ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra ny fitadremana ny didiny. Io fitandremana sy fankatoavana ny didin’Andriamanitra io no modely omen’i Jesoa antsika tamin’ny vavaka nataony tao Getsemane (Marka 14, 36).

Fanontaniana:

Ahoana no ahazoana antoka fa hery avy amin’ny Fanahy Masina no entin’ny mpino iray manao ny asany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny mpino mahatoky amin’ny asany

Alahady, 23 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino Jesoa Kristy mivavaka no hitantsika eto. Ao anatin’ izany vavaka…

Fampitandremana ny amin’ny fampianar...

Asabotsy, 22 Aogositra 2026

Fampitandremana ny amin’ny fampianaran-diso Ny Epistily nosoratan’i Joda dia mampitandrina fatratra noho ny fisian’ ireo…

Mpanompo tsara sady mahatoky

Zoma, 21 Aogositra 2026

« Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka…