Sarobidy ny fihainoana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Martsa 2026

Sala. 145.1-4 / Hira 16 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307

Jakoba 1,22 - 27
22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. 23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy; 24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny. 25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany. 26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. 27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.

Sarobidy ny fihainoana satria:

1.Hankatoavana ny Tenin’Andriamanitra

Sarobidy ny fihainoana mba hankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Azo atao mantsy ny mihaino fa tsy mandray; izany hoe mihaino ny Teny fa tsy mifantoka amin’izany, na mihaino izay tiany henoina. Aoka isika ho mpankato ny Teny, fa aza ho mpihaino fotsiny. Raha ivelambelany fotsiny ny famakiana ny Soratra Masina, dia tsy hahazo izay tian’Andriamanitra sady tsy hahatakatra ny sitrapony, ary tsy ho tonga amin’ny fankatoavana mihitsy.

2.Aoka tsy hijanona an-tsasa-dalana

Ny fijanonana an-tsasa-dalana eo amin’ny dingana fihainoana; izany hoe mihaino ampahany ihany dia tsy mahasoa antsika fa miteraka fikorontanana eo amin’ny fiainana, tsy mitondra ho amin’ny tanjona izay nokendren’ny Tompo ho antsika dia ny fahasambarana (and. 25). Tian’Andriamanitra hirindra ny fiainantsika mba hisitrahantsika ny fahasambarana. aoka tsy hijanona an-tsasa-dalana ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra

3. Mijoroa amin’ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny

Porofon’ny asa hita ny fivavahana madio tsy misy tsiny. Ambaran’ny mpanoratra eto izany, dia ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena (and. 27). Ny kamboty tsy manan-dray sy ny mpitondratena (tsy manambady), ianjadiam-pahoriana izy ireny ary miandry antsika. Tsy fikambanana manao asa fiantrana akory ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny fa vokatry ny finoana, ary asa mendrika noho ny fankatoavana sy fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Mandehana dia mba manaova toy izany koa.

Fanontaniana :

Ahoana ny hevitrao momba ireo Kristiana nanao fanekena, kanefa mihemotra an-tsasa-dalana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

 

 


Mofon'aina teo aloha

Ny teny fahazavana

Alahady, 15 Martsa 2026

Ny teny fahazavana 1-Mampifandray ny amin’Andiamanitra « Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro…

Ny olona matoky an’Andriamanitra

Asabotsy, 14 Martsa 2026

Ny olona matoky an’Andriamanitra 1-Mankahala ny mpanao ratsy « Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah…

Ny olona mandre ny Filazantsara

Zoma, 13 Martsa 2026

Ny olona mandre ny filazantsara 1-Mibebaka « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, (…) mba hahazo famelana…