Ry mpino mahatoky ô!

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Aogositra 2026

Sal. 68, 4-6 / Hira 167, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 309, 1

Matio 21,23 - 32
23 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? 24 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: 25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina* ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[*Na:nieritreritra] 26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona. 27 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. 29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. 31 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.

Ry mpino mahatoky ô !

1.Tandremo ny mitondra tena tahaka ny mpisorona sy loholona (and.23-24)

Nampianatra teo amin’ny Tempoly Jesoa ka tafintohina ireo mpisorona sy loholona, ary nanontany ny fahefana anaovany izany. Mieritreritra mantsy izy ireo fa efa tompon’ny asan’Andriamanitra ka tsy ilaina intsony ny hampianarina. Izy ireo dia tsy mino ny zanak’Andriamanitra sy ireo mpaminany. Teo amin’ny Jiosy, ny filazana fa manana ny fahefan’Andriamanitra ny tena, dia mitovy filazana fa mitovy amin’Andriamanitra ny tena. Tena fanaratsiana an’Andriamanitra izany.

2.Mahaiza manetry tena (and. 25-27)

Tsy nanan-kalahatra teo anatrehan’ny Tompo ny loholona sy ny mpisorona rehefa nanontanian’i Jesoa ny amin’ny batisan’i Jaona. Ataovy amin’ny tahotra sy ny hovitra izay andraikitra nomen’ny Tompo anao, satria Izy no mahita anao ao amin’ny mangingina. Aoka tsy atao haingon-trano fotsiny fa mba ho tena mpanompo mahatoky: feno fanetren-tena, tsy mieboebo. Hisy vokatra tsara eo amin’ny olona io fanetren-tena io.

3.Meteza ho tompon’andraikitra (and. 28-31)

Meteza ho tompon’andraikitra amin’izay asa tandrify azy avy. Eto amin’ity fanoharana ity dia hita sy voamarina fa samy tsy misy tsara fitondran-tena izy roalahy; ilay voalohany, diso amin’ny fiteny ary ilay faharoa kosa, diso amin’ny natao. Manandaja amin’Andriamanitra kokoa ny atao noho ny teny fampanantenana (Jereo Mat.7, 21). Jereo ny fihetsikao; inona no azonao atao ankehitriny mba hanehoana ny fankatoavanao an’Andriamanitra? Ny fahaiza-manao sy ny fanekenao dia tokony haseho amin’ny asanao andavanandro.

Fanontaniana :

Inona no voka-dratsin’ny tsy fankatoavana ny iray amin’ireo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mpino mahatoky

Alarobia, 12 Aogositra 2026

Ny mpino mahatoky 1. Mahay maka lesona ny tamin’ny lasa (and.1-4) Nafahana tamin’ny fanandevozana tany…

Ry mpanompon’Andriamanitra

Talata, 11 Aogositra 2026

Ry mpanompon’ Andriamanitra! 1. Aoka ho tsapanao fa ny finoana dia fitokisana tanteraka amin’ Andriamanitra…

Ny tokony ho fiainan’ny mpanompo

Alatsinainy, 10 Aogositra 2026

Ny tokony ho fiainan’ny mpanompo Marihina amin’ity andalan-tsoratra Masina novakiana androany ity ny fifandraisan’ny samy…