Ny teny fahazavana

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Martsa 2026

Sal. 42.1-3 / HF 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 317

Marka 4,21 - 25
21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy] 22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. 23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. 25 Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.

Ny teny fahazavana

1-Mampifandray ny amin’Andiamanitra

« Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ny vata famarana, … »(And. 21). Ny jiro dia ampiasaina entina hanazavana. Ny finoana no ampiasaiana hitondra vokatra. Ny fanoharana ataon’i Jesoa dia entina hanazavana momba an’Andriamanitra. Saingy sakanan’ny faharatsiana mitoetra ao am-pon’ny olona izany teny izany. Kanefa Andriamanitra dia tsy mba voasakana, ka ny Tenin’Andriamanitra no ifandraisan’ny olona Aminy. Araka izany, ny Tenin’i Jesoa Kristy no fahazavana, ary i Jesoa mihitsy Ilay fahazavana. Koa esory eo amin’ny fiainanao sy ao am-ponao ireo rehetra mety hiteraka sakana tsy ahafahanao mandray ny Tenin’i Jesoa Kristy amin’ny finoana; mba hanananao fifandraisana tsara amin’Andriamanitra.

2-Mitsara ny olona araka nandraisany azy

« Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. « (And. 24). Ny hafatry ny Filazantsara dia miely any an-tany lavitra samihafa, hatrany amin’ny tendron-tany rehetra. Ny fanalahidin’ny fitomboan’izany dia miankina amin’ny tany namafazana azy. Ka ny zava-dehibe indrindra ho an’ny olona dia ny fanekena handray ny Filazantsara. Ny hevitry ny hoe « diniho izay teny renareo » dia midika ho fanekena na fandavana ny Tenin’i Jesoa Kristy izay efa reny. Oharin’ny mpampianatra Jiosy amin’ny saha voaasa sy vonona handray ny masomboly ny olombelona. Izany no ahafahan’ny masony mijery sy ny sofiny mihaino. Amin’izany no mahatonga azy mametraka ho laharana voalohany ny fihainoana Filazantsara.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona tsy mandray ny Filazanatsara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny olona matoky an’Andriamanitra

Asabotsy, 14 Martsa 2026

Ny olona matoky an’Andriamanitra 1-Mankahala ny mpanao ratsy « Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah…

Ny olona mandre ny Filazantsara

Zoma, 13 Martsa 2026

Ny olona mandre ny filazantsara 1-Mibebaka « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, (…) mba hahazo famelana…

Ny olona mandre fananarana

Alakamisy, 12 Martsa 2026

Ny olona mandre fananarana 1-Mihaino « Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. »…