Ny tena fitiavana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Febroary 2026
Sal 24.1-5 / Hira 170:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 170:2,3
Tonon-kiran'i Solomona 1,1 - 4
1 Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona. 2 [Ny ampakarina sy ny zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao. 3 Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao. 4 Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.Ny tena fitiavana
Tononkiran’ny tononkira no iantsoan’ny mpandika Baiboly an’ity boky ity! Boky mitantara ny hatsara sy ny halalin’ny fitiavan’olon-droa! lombonan’ny maro fa i Solomona no nanoratra azy. Ny anjara mofonainantsika anio dia mitaona antsika hahatakatra fa ny fitiavana azo antoka dia ny fitiavana:
1. Ambara (and 1ss)
«Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy…>>> hoy ny Tononkira. Tsy eto ihany fa raha manohy mamaky isika, eny hatramin’ny farany aza dia hahita fa feno filazana sy famboraham-pitiavana ny tononkira. Azontsika takarina amin’izany fa izay tena tia dia milaza ny fitiavany! Ary matoa tafavoaka eo am-bava, dia satria betsaka sy mibosesika ao am-po hoy i Jesoa (Mat 12.34)!
2. Latsaka anaty (and 4)
«…hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao…», io matoanteny hoe hankalazaina io dia azo adika koa hoe: tsarovanay na koa hoe tsy ho adinoinay mihitsy mandrakizay! Izany hoe ny tena fitiavana dia tsy ilay tanisanisaina eo amin’ny molotra fotsiny fa tena tafapaka ary mahazo laka ao anaty mihitsy ka tonga tahaka ny tombokase tsy hay fafana na dia ezahina kosehina aza (Ton 8.6)! Tahaka ny Fitivan’Andriamanitra antsika!
3. Tsy misy fitaka (and 4d)
«Fitiavana marina no itiavany anao»! Ny dikan’ny teny hoe marina eto dia hoe: mahitsy sy tsy misy fitaka! Izany hoe tena izy fa tsy sarintsarim-pitiavana! Tsy fitiavana mitady tombontsoa manokana ho an’ny tena fa mihevitra izay hahasoa ny tiana kosa! Tahaka ny fitiavan’i Jesoa izany: vonona ho faty hamonjy ny tiany (Jao 15.13)! Fantaro tsara ihany vao roboka mba tsy ho voafitaka rahavako!
Fanontaniana:
Fitiavana manao ahoana no entinao mitia?
Sampana Sekoly Alahady Foibe