Ny olona voavonjy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Febroary 2026
Sal 103,1-5 / Hira 480 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 445
Apokalypsy 7,11 - 17
11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona* sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* Gr. presbytera] 12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. 13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera] 14 Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. 15 Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. 16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. 17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).Ny olona voavonjy
Ny toko faha.7 amin’ity boky ity dia milaza ireo olona ho voavonjy sy ny fiainana any an-danitra.
1. Manaiky ho diovina (And.13-14)
Voalaza fa mitafy akanjo fotsy madio, efa nosasana tamin’ny ran’llay Zanak’ondry ireo voavonjy. Ireo izay nitondra ny fahotany rehetra hodiovin’ny ran’i Kristy, izay nalatsany teo amin’ny Hazofijaliana, Ilay hany tokana mahasasa ny fahalotoana rehetra. Rehefa madio dia tsy maintsy hiaritra fahoriana, mandra-pahatonga any an-danitra, satria tsy faly ilay ratsy ka mamingana sy mampahory. Noho izany, rehefa nodiovany dia mila mitandrina sao lavo indray
2. Manompo an’Andriamanitra (And.15)
Rehefa afaka tamin’ireo fatoran’izao tontolo izao ireo nodiovina dia afaka manompo an’Andriamanitra an-kalalahana. Tena fiainana ny manompo manomboka eo satria andro aman’alina no hanaovana izany, ary atao am-pitiavana ka tsy hijerana ny hafa. Tena maneho fiombonam-piainana tanteraka amin’ Andriamanitra satria vita fanekena ary efa ao amin’ny Tempoly rahateo. Fiainan’ny olom-boavonjy ny manompo.
3. Manana fiadanana (And.16-17)
Ilay fahoriana lehibe nolazaina teo aloha dia nivadika ho fiadanana tanteraka. Foana tanteraka ny karazana tsy fisiana isan-karazany: hanoanana, hetaheta, tahotra samihafa, eny hatramin’ny ranomaso aza, ireo izay manahiran-tsaina eto an-tany. Ilay Mpiandry tsara no eo afovoany, Izy Ilay loharanon’ny fahavelomana sy fiainana ary miantoka tanteraka ny fiarovana ny ondriny. Vokany, fifaliana lalandava ny fiainan’ny olona voavonjy. Mamerina indray ilay fiainam-piadanana tao Edena.
Fanontaniana:
Manantena ny hiditra any an-danitra ve ianao? inona àry no tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe