Ny olona marina
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Martsa 2026
Sal 11.4-7 / Hira 12:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489:1,3
1 Jaona 3,7 - 9
7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra.Ny olona marina
1-Manahaka an’i Kristy
« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (And. 7)
Ampahatsiahivin’i Jaona eto fa i Jesoa Kristy no Ilay fahamarianana. Izy no modely amin’ny fanaovana ny marina. Noho izany, ny olona manahaka an’i Jesoa ihany no marina sy manao ny marina. Araka izany, tsy misy fahamarinana na marina eken’ny Soratra Masina raha tsy izay mifanaraka amin’ny fahamarina’i Kristy. Ny fahamarinana rehetra ivelan’ny finoana an’i Jesoa sy mifanohitra amin’ny fampianaran’i Jesoa, dia fahamariana na marina poak’aty. Ao amin’i Jesoa irery ihany no misy ny marina sy ahafahana miaina ny fahamarinana tena azo antoka. Koa minoa an’i Kristy dia ho marina sy mahay manao marina hianao.
2-Mandresy ny herin’ny devoly
« Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. » (And. 8).
Hatrany amin’ny nahatongavan’ny ota teto amin’izao tontolo izao, dia nifanohitra hatrany ny Zanak’ Andriamanitra sy ny devoly. Ny fanoheran’ny Jiosy an’i Jesoa dia avy amin’ny devoly (Jao.8. 41), ny namadihan’i Jodasy an’i Jesoa dia asan’ny devoly (Jao.6. 70), ny fijalian’i Jesoa dia avy amin’ny devoly (Jao.14. 30). Nandresy ny herin’ny devoly anefa i Jesoa ka nitsangana tamin’ny maty. Araka izany, ny olona rehetra izay mino an’i Jesoa dia olona mandresy ny herin’ny ota sy ny herin’ny ratsy rehetra satria zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa isika. Koa aoreno mafy amin’i Jesoa ny finoanao dia handresy ny herin’ny devoly hianao.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba anehoanao ny maha zanak Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe