Ny olona manana an’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 03 Martsa 2026

Sal.1.1-6 / HF 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305

2 Korintiana 13,5 - 14
5 Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? 6 Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina. 7 Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay. 8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa. 9 Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo. 10 Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana. 11 Farany, ry rahalahy, mifalia*, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.[*Na: veloma] 12 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 13 Ny olona masina rehetra manao veloma anareo. 14 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.

Ny olona manana an’i Kristy

1-Manao ny tsara

«…tsy hanao izay ratsy ianareo, (..), fa ny mba hanaovanareo izay tsara,… » (And. 7) Hafatra nataon’i Paoly Apostoly ho an’ny Fiangonana tany Korinto. Mampahatsiahy izy, fa izy ireo dia efa ao amin’i Kristy ka tsy tokony hanao ny fanaon’ny Jentilisa intsony fa hanao ny « tsara » kosa. Ny tsara eto dia izay rehetra mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Araka izany, ny olona rehetra efa ao amin’i Kristy dia manao ny tsara. Tsy ny tsara araka ny fisainany sy eritreriny anefa fa ny tsara araka ny sain’i Kristy. Rehefa misy zavatra atao izany ny Kristiana, dia manontany ny hevitr’i Kristy ao amin’ny Soratra Masina, na mifanaraka amin’ny fisainan’i Kristy izany na tsia.

2-Mahery

«Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.» (and.9). Nanome tsiny ny fanompoana sy ny Apostoly Paoly ny olona sasany tany Korinto izay tsy nanao ny asan’Andriamanitra. Namaly azy ireo i Paoly ka nilaza fa raha mahery sy tanteraka amin’ny fanompoana an’i Kristy izy ireo dia mahafaly azy. Mahery amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ny olona rehefa tsy misy mahasakana azy hanao izany ny zava-misy ety amin’izao tontolo izao. Ary tanteraka izy, rehefa manao izany asa izany amin’ny finoana sy ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra. Koa ataovy amin-kery ny fanompoana napetraky ny Tompo aminao, ary vitao araka ny sitrapon’ Andriamanitra izany.

Fanontaniana

Inona no sakana tsy ahafahanao manao ny tsara sy mahavita ny asa fanompoana an’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra tia ny vahoakany

Alatsinainy, 2 Martsa 2026

Andriamanitra tia ny vahoakany 1-Mananatra azy « Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao;…

Ny olona tia an’i Jesoa

Alahady, 1 Martsa 2026

VOLANA MARTSA : MITARIKA HO AMIN’NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO Ny olona tia an’i Jesoa 1- Manahy sao…

Ny olona voavonjy

Asabotsy, 28 Febroary 2026

Ny olona voavonjy Ny toko faha.7 amin’ity boky ity dia milaza ireo olona ho voavonjy…