Ny mpino mahatoky amin’ny asany
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Aogositra 2026
Sal.47:1-7 / Hira24:1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF.39:2
Jaona 17,1 - 5
1 Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao. 2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy. 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. 4 Izaho efa nankalaza Anao tet? ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.Mahatoky amin’ny asany ny mpino
Jesoa Kristy mivavaka no hitantsika eto. Ao anatin’ izany vavaka izany no anambaran’i Jesoa sahady, fa tsy teo amin’ny hazofijaliana ihany, fa vitany ny iraka nampanaovina Azy.
Koa ny mpino mahatoky amin’ny asany dia:
1- Feno fiainam-bavaka
Ny vavaka dia fomba iray ifandraisantsika amin’Andriamanitra, ankoatra ny Soratra Masina na Tenin’Andriamanitra. Koa ny hoe: feno fianam-bavaka dia midika fifandraisana tsy tapaka amin’ Andriamanitra. Miantoka ny fahombiazana amin’ny asa atao io fifandraisana amin’Andriamanitra io, araka ny tenin’i Jesoa hoe: « raha misaraka Amiko kosa hianareo dia tsy mahay manao na inona na inona » (Jaona 15, 5). Ny modely omen’i Jesoa antsika eto dia tsy fanaovana vavaka mialohan’ny hanombohana asa ihany fa aorian’ny fahavitany koa.
2- Mahavita izany an-tsakany sy an-davany
Anisan’ny toetra ananan’ny olo-mahatoky ny tsy fivadihana amin’ny teny na fanekena nataony, na dia iharan-java-manahirana noho ny amin’izany aza (miaritra sy maharitra).
Raha nanao ity vavaka ity ny Tompo dia mbola tsy niatrika ny hazofijaliana akory. Koa ny filazany hoe: « vitako ny asa nomenao Ahy hataoko » (and.4b) dia filazana sahady ny hahatanterahan’izany na dia ho avy aza ny fotoana mahory sy hahafadiranovana indrindra. Tonga tamin’ny fahafenoany kosa izany teo amin’ny hazofijaliana ka nilazan’ny Tompo hoe: « Vita!» (Jaona 19, 30).
Fanontaniana:
Inona no azo atao hanatsarana ny fiainam-bavaky ny mpino? – Mahatoky ve ny mpino manao fametraham-pialana amin’ny asa fanompoany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady