Ny fitiavan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Febroary 2026

Sal 103.1-5 / Hira 2:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 2:3

Lioka 15,11 - 32
11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. 12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. 13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany. 14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy. 15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. 16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. 17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! 18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho 19 ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho. 20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. 22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; 23 ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; 24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. 25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.

Ny fitiavan’Andriamanitra

Tantaran’ilay zanaka adala no hahalantsika ity anjara mofonaintsika ity! Amin’ny dikan-teny na boky sasany dia lazainy kosa hoe: ilay ray adala. Fa ity tantara ity dia entin’i Jesoa maneho ny hadirin’ny Fitiavan’Andriamanitra. Hitantsika eto fa:

1. Tia antsika zanany Andriamanitra (and 12)

«dia nozarainy tamin’izy roalahy ny fananany…» hoy ny fitantarana amintsika. Fanoharana ataon’i Jesoa moa ity tantara ity. lo andininy io no tena entiny maneho ny fitiavan’Andriamanitra, ary mandiso ny filazan’ny sasany hoe ray adala; satria rehefa alalinina tsara io, dia hita fa ny nomen-drainy ho an’ny zanany, dia izay hahazoany mihazona aina (survie) fotoana voafetra! Efa tsinjon-drainy mialoha mantsy ny zavatra hitranga, ary efa voatsinjony miaraka amin’izany koa fa ho lany ireo nomeny ireo!

2. Manantena ny fiovam-pontsika Izy (and 17)

« Ary raha nody ny sainy…». Ity mpampitohy hoe «ary>> ity no mampifandray ny fanazavana teo aloha. Fantatry ny rainy fa tsy maintsy ho lany ilay hoe «fananana» izay natao hihazonana aina! Ary tsy maintsy ho tonga ny fotoana hahatongavan’ny zanany saina, ary izany no mahatonga ny tantara manao hoe «mbola lavitra izy dia efa tazan-drainy» (and 20b). Tsy hoe kisendrasendra fotsiny no nahatazanany azy, fa efa mitazana, ary manantena isan’andro Izy fa hody ny zanany!

3. Vonona handray sy hanarina antsika Izy (and 23b)

«…aoka isika hihinana sy hifaly…» hoy ny rainy! Tsy mahagaga io hafalian’ny ray mahita ny zanany mody io raha ny halehiben’ny fitiavany! Fa ilay efa nihosina no nofihininy, nosasana, nasiana peratra ary mbola anaovana fanasana lehibe! Toy izany ny hafaliany raha miverina Aminy ianao!

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahatsapanao ny fitiavan’i Jesoa anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Hatrany am-bohoka dia efa voasoritr’...

Alarobia, 11 Febroary 2026

Hatrany am-bohoka dia efa voasoritr’Andriamanitra ny asan’ny olombelona tsirairay Ity tantaran’i Jefta ity dia mampianatra…

Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky

Talata, 10 Febroary 2026

Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky Mihasinkasina tsara eto amin’ity anjara mofonainantsika anio ity fa ny mpanompon’ Andriamanitra…

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo ...

Alatsinainy, 9 Febroary 2026

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo anatrehan’Andriamanitra  Misongadina eto fa tena Tia ny olony Andriamanitra…