Ny fanatitra tsara indrindra ho an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Martsa 2026
Sal 29. 1.2 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 446
Mika 6,6 - 8
6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? 7 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko? 8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tenaNy fanatitra tsara indrindra ho an’Andriamanitra
1. Fahamarinana ara-piarahamonina
Rv olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilaiw Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy tia famindram-po» (And. 8) Tamin’ny andron’i Mika mpaminany dia nazoto nanao fanatitra ho an’i Jehovah ny olona kanefa tsy marina tamin’ny lafiny Fiarahamonina. Nanjaka ny tsy rariny, ny kolikoly, ary mpisorona sy ny mpaminany aza dia nanao ny asany ho fahazoam-bola. Raha hibebaka amin’ Andriamanitra ireo olona ireo dia takina aminy ny marina sy ny famindrampo. Araka izany, aleon’ Andriamanitra ny olona manao ny marina toy izay olona mazoto manatitra fanatitra tsara ho azy. Tsara lavitra noho ny fanatitra rehetra ny fanaovana ny marina sy ny famindrampo.
2-Fanompoana an’Andriamanitra
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany (…) Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena » (And. 8). Tsy nanana fanetren-tena ny vahoaka tao Jerosalema tamin’ny andron’i Mika mpaminany. Ny fanetren-tena dia ny fanekena hanome voninahitra an’ Andriamanitra sy manaiky hotarihiny amin’ny zavatra rehetra. Takin’ Andriamanitra amin’izy ireo ny fahaizana manome voninahitra Azy fa tsy ny fanaovana fanatitra. Toy izany ihany koa isika ankehitriny, omeo voninahitra Andriamanitra amin’ny zavatra atao rehetra. Maneke ny fitondrany ny fiainanao fa aza mitondra very ny fiainanao. Raha manao izany ianao, dia ankasitrahan’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona mahatonga ny olona manao fanatitra nefa tsy manome voninahitra an’ Andriamanitra akory?
Sampana Sekoly Alahady Foibe