Ny fanasitranan’i Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Janoary 2026

Sal. 146.1-10 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina : Jao. 9, 1-7/ Vavaka / Hira 310.1.2

Jaona 9,1 - 7
1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. 2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? 3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4 Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. 5 Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. 6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba. 7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.

 

Ny fanasitranan’i Jesoa

1- Fanehoana ny asan’Andriamanitra

Ahitsin’i Jesoa ny fiheverana fa vokatry ny fahotana no mahatonga ny olona ho tra-pahavoazana. Tsy voatery ho marina mandrakariva izany. Matetika aza dia ny tsy manan-tsiny sy ny miezaka hanao ny marina no mijaly eto amin’izao tontolo izao. Jesoa Kristy dia niaritra fahoriana teo amin’ny Hazofijaliana kanefa Izy dia tsy nanota, ary tsy nisy fitaka teo am-bavany (1Pet 2.22-24). Avelan’ Andriamanitra hiseho amintsika mpino ny fahoriana sy ny aretina mba ho fitaizana antsika hahatakatra ny asan’Andriamanitra, dia ny famindrampony sy ny fitiavany ary ny heriny, hanehoany zava-mahagaga mba hinoantsika Azy.

2- Fanasitranana ialohavan’ny finoana

Mahefa ny zavatra rehetra tokoa ny Tompontsika. Azony atao ny maneho miaraka ny fahagagana sy ny fanasitranana toy izay hita eto. Ny fitaovana nampiasaina toy ny fotaka izay nahosotra tamin’ny masony, sy ny rano tao amin’ny farihin’i Siloama dia toy ny fitaovana rehetra ihany fa ny fanasitranana dia tena asan’i Jesoa samirery. Manan-danja lehibe teo amin’ny asa fanasitranana ny fankatoavan’ilay marary ny Teniny (and.7). Nino izy fa Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao, nankato izy ka dia nahiratra ny masony. Ny tsy finoana an’i Jesoa toy izay nahazo ny Fariseo no miteraka ny fahajambana ara-panahy. Ny asan’Andriamanitra izay ambaran’i Jesoa eto kosa dia manafaka ny olona rehetra amin’ny aizim-pahotana, ka hampahiratra azy sy hahalalany fa Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao (and.5).

Fanontaniana:

Raha i Jesoa tokoa no mpanasitrana, tokony hanatona dokotera ve ny marary? Hazavao ny hevitrao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny famonjena’Andriamanitra antsika

Talata, 13 Janoary 2026

Ny famonjen’Andriamanitra antsika 1- Amin’ny alalan’ny firaisana amin’i Krisy Jesoa. « Ary amin’izany dia tsy misy…

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Alatsinainy, 12 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo. 1- Mitaona ny vahoaka mba handroso hatrany Izy (and.15)…

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Alahady, 11 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo 1- Nanao fanavotana ho antsika Izy « Izy no ananantsika…