Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Mey 2026

Sal 113. 1-9 / Hira 194 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 183

Asan'ny Apostoly 2,1 - 4
1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.

Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina

1-Fahatanterahan’ny teny nataon’i Jesoa

Talohan’ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra dia nanafatra ny mpianatra izy mba tsy hisaratsaraka sy tsy hiala ao Jerosalema mandra-pahatongan’ny fotoana izay hampaherezana azy ireo amin’ny fandatsahana amin’izy ireo ny Fanahy Masina. Tanteraka tokoa izany filatsahan’ny Fanahy Masina izany tamin’ny andro Pentekosta, raha niangona tao Jerosalema izy ireo. Izay rehetra teny nataon’i Jesoa dia tanteraka avokoa satria Marina Izy.

2-Natao ho an’ny olona rehetra

Rehefa niangona sy nivavaka izy ireo, hankalaza ny Pentekosta dia heno tamin’ny rivotra nifofofofo sy niseho tamin’ny lela mitarehin’afo ny filatsahan’ ny Fanahy Masina izay nirahin’ny Tompo, ary nirotsaka tamin’izay rehetra vory teo.

Araka izany, ny Fanahy Masina dia omena ny mpianatry ny Tompo rehetra izay miandry sy mino, ary manantena izany na iza izy na iza. Isika mpino rehetra koa dia manana anjara amin’izany.

3-Mampiasa ny olona rehetra.

Rehefa feno ny Fanahy Masina izy rehetra dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa araka izay nampitenenan’ny Fanahy azy ireo. Nahatalanjona izay nandre azy ireo izany. Nanomboka teo ny fitoriana ny Filazantsara hiely amin’ny firenena sy fiteny maro samihafa. Mampiasa ny olona rehetra izay iasany ny Fanahy Masina fa tsy mampidonana-poana. Izay rehetra nandray ny Fanahy Masina tamin’ny fomba maro samihafa (batisa, fanokanana mpandray, mpiandry…sns) dia tokony hiasa mandrakariva araka izay ampiasan’ny Fanahy masina azy.

Fanontaniana:

Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina anao tokoa ve ianao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny batisan’i Jesoa

Alarobia, 27 Mey 2026

Ny batisan’i Jesoa 1- Manokatra ny fifandraisana feno amin’Andriamanitra Manambara i Lioka fa rehefa natao…

Ny Kristiana mijoro vavolombeloan’i ...

Talata, 26 Mey 2026

Ny Kristiana mijoro vavolombeloan’i Kristy 1- Manana fitondrantena mendrika Manoloana ny fanenjehana tamin’izany fotoana dia…

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy

Alatsinainy, 25 Mey 2026

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy 1- Omeny fiadanana: Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia mbola…