Ny asan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Febroary 2026
Sal 134 / Hira 212 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 512 :1,2
Eksodosy 32,15 - 16
15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra. 16 Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.Ny asan’Andriamanitra
Voalaza amin’izao Soratra Masina izao ny momba ireo vato fisaka roa mirakitra ny didy folo nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Asan’Andrimanitra avokoa na ilay vato fisaka roa na ilay soratra tao anatiny. Ny Asan’Andriamanitra:
1. Masina sady feno
Koa satria Masina Andriamanitra dia masina koa ny asan’ny tanany. Efa naschony tamin’ireo vahoaka mialohan’ny hiakaran’i Mosesy tao an-tendrobohitra izany. Tsy mba olombelona no nikarakara ilay didy fa Andriamanitra. Ny endrika ivelany, izay ahitana ny soratra amin’ny lafiny roa, dia maneho ny fahafenoana tanteraka. Ny voarakitra ao anatiny indray dia mahakasika ny olona rehetra sy ny olona manontolo, ary indrindra ny fifandraisan’ Andriamanitra sy ny olona izay manamafy ny fanekena nataon’Andriamanitra amin’ny olony. Asa lavorary sady miavaka no ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olony. Masina ny Tenin’ Andriamitra sady feno.
2. Maharitra sady mamelona
Nosoratana tamin’ny vato fa tsy zavatra mety mandalo na zavatra mora simba sy levona. Vato, maneho fa tsy hiova intsony ka maharitra satria vavolombelona manamafy ny fanekena izany. Ary mihoatra noho izany, soratanan’Andriamanitra fa tsy an’ olombelona no mameno ilay vato fisaka. Iza no afaka hamafa ny soratanany? Tsy misy! Ny vontoatin’ny Soratra dia mikendry fifandraisana sy firindrana eo amin’ny olona samy olona ary ny olona sy Andriamanitra. Vato fisaka roa, tànana roa, noho izany, ampy sady sahaza ireo ka hitondra fiainana. Ny Tenin’ Andriamanitra na ambara na soratana dia mitondra fahavelomana mandrakariva, ary maharitra mandrakizay.
Fanontaniana:
Tsapanao ve ny hasarobidin’ny asan Andriamanitra sy ny Teniny eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe