Ny andron’i Jehovaha araka ny ilazan’i Malakia azy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Novambra 2026

Sal 138: 1-8 / Hira 172: 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332:2

Malakia 3,19 - 24
19 Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. 20 Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] 21 ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 22 Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. 23 Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; 24 ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana*. [Heb. herema]

Ny andron’i Jehovaha araka ny ilazan’i Malakia azy

Ny andron’i Jehovaha araka ny ilazan’i Malakia azy dia

1. Andro mahory ho an’ny ratsy fanahy (and 19)

« …ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary. » Tahaka ny fatana fandoroana no ilazan’ny mpaminany ny andron’i Jehovah eto. Maneho izany fa marina Andriamanitra, ka tsy mamela ny ratsy fanahy tsy mibebaka hiala maina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe tsy misy hiangana fa rava tanteraka, ny mpirehareha, manome lamosina ny Tompo, ialana nenina tsy te hahalala fa mikiribiby amin’ny lalan’ny fahotana ihany andro aman’alina. Tsy andron’ny famindram-po intsony, fa andro handraisan’ny tsirairay ny valin’asany ny andron’i Jehovah!

2. Fahasambarana ho an’ny mino (and 20)

« Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana…»! Fanontaniana ataon’ny olona ny hoe: «Aiza Andriamanitry ny fitsarana?» (Mal 2.17). Ilay sary an’ohatra hoe masoandro, dia maneho fahasitranana, fahazavana ary fiadanana ho an’ireo izay nihazona ny finoany na dia nampahoriana sy niaritra ny mafy aza. Fandresena ho an’ny mino ny andron’i Jehovah. Ary moa ve tsy i Kristy no ilay masoandro tsy azo resena, miposaka ho antsika sahady?

3. Efa niomanana ho an’ny mpankato (and 22, 23)

« Tsarovy ny lalan’i Mosesy…indro Izaho haniraka an’i Elia mpaminany…». Ny lalàna dia antso ho amin’ny fiverenana marina amin’Andriamanitra ny mpaminany kosa dia fampanantenana. Ny dikan’izany dia izao: Tsy manao ankinafinafina akory ny Tompo, fa efa nomeny ny Teniny (Lalàna sy mpaminany) hanomana ny fon’ny olona, hiantso ny mania hiverina ny marina, ary ny marina hijoro tsy hivena Ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra!

Fanontaniana

Mitondra inona ho anao izany «andron’i Jehovah»?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fahavalon’ny fiambenana

Zoma, 27 Novambra 2026

Ny fahavalon’ny fiambenana « Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny…

Ilàna fahavononana ny fiavian’i Jeso...

Alakamisy, 26 Novambra 2026

Ilàna fahavononana ny fiavian’i Jesoa Eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa eny amin’ny rahon’ny lanitra: 1.…

Ny mpitondra avy amin’Andriamanitra

Alarobia, 25 Novambra 2026

Ny mpitondra avy amin’Andriamanitra Niavaka indrindra amin’ny mpanjaka teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao i Solomona,…