Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Martsa 2026

Sal 100 / Hira 3.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka /Antema 5

1 Timoty 1,12 - 16
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [* Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 14 Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tet? ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

1-Mahaiza misaotra an’Andriamanitra

Tsy mora ny asa izay hosahanin’i Timoty, izay anirahin’i Paoly azy izaó, ka notantarainy teo anatrehan’i Timoty ny fiainany izay nolalovany ho fampaherezana azy. Ny indrafon’Andriamanitra no iorenan’ny asa fanompoana, ary nahazoany hery hahatotosany ny zara fanompoany. Mendrika ny fisaorana an’Andriamanitra noho izany rehetra izany. Tsaroan’i Paoly izany ka hoy izy hoe « Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika aho, izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana » (and 12). Ny fahaizana misaotra amin’ny zavatra rehetra izay atolotr Andriamanitra, dia mendrika ataon’ny mpino toa antsika, na inona fisehony; ary misaora amin’ny zavatra rehetra. Mahaiza misaotra an’Andriamanitra, fa tokony hataontsika izany.

2-Maneke heloka:

I Paoly eto dia nanaiky ny fahadisoany sy ny tsy fahatanterahany manoloana ny sitrapon’Andriamanitra satria dia olona tsy tao amin’ny Tompo. izao no filazany: « …Mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpampahory » (and 13). Fiainana feno asan’ny Satana sy ny miaramilany, mpanenjika ny kristiana ary tsy manana asa afa tsy izany teo amin’ny fiainany. Ry Havana, mety ho toy ny fiainan’i Paoly koa ny lasanao fa ankehitriny miantso anao ny Tompo, andeha handinin-tena, fotoam-pihavaozana izao izao. Efa lasa ny zavatra ny zavatra taloha, maneke heloha, miandry anao ny Tompo.

Fanontaniana:

Mety mahazo ny fiainana mandrakizay avokoa ve izay milaza ho mpino rehetra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Aza mitsara

Zoma, 27 Martsa 2026

Aza mitsara 1-Aza mijery ny sombin-kazo  eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Aseho amin’ny alalan’ny sombin-kazo ny…

Tsy hireharehana ny fiantsoan’Andria...

Alakamisy, 26 Martsa 2026

Tsy hireharehana ny fiantsoan’Andriamanitra 1-Hevero ny fiantsoana anareo Andriamanitra dia miantso mandrakariva, ary miantefa amin…

Ny mpanompo miroso amin’ny fandiniha...

Alarobia, 25 Martsa 2026

Ny mpanompo miroso amin’ny fandinihan-tena. 1-Manaiky ny fiaiken-keloka Fantatr’i Davida tsara fa mpamindra fo sy…