Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Martsa 2026

Sal. 109, 1-6 / Hira 8, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 701, 1-3

Apokalypsy 21,1 - 8
1 [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. 6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. 7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

1.Efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany

Mitaona antsika mpamaky ny mpanoratra mba hanadino ny zavatra taloha, dia ny tany tranainy sy ny lanitra. Ambara eto koa fa tsy hisy intsony ny ranomasina. Hokosehina avokoa ny dian’ota rehetra, ka tsy tokony hotsarovana intsony. Ny hoe efa lasa dia milaza amintsika hoe : efa dilan’ny fotoana ankehitriny. Fotoana fandinihan-tena izao. Aoka handao ny lasa izay tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra isika ka hitafy fahavononana sy hiezaka hanadino ny lasa. Raha manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika dia ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ny fandinihan-tena tanterahintsika. Mahaiza manadino ny hafa, fa efa lasa ny zavatra taloha.

2.Ny amin’ny Jerosalema vaovao

Hitan’i Jaona midina avy any an-danitra i Jerosalema vaovao izay ambaran’ny mpanao Salamo ho toerana honenan’Andriamanitra (Sal. 76, 2) Tanànan’Andriamanitra izay nandrasan’ny rehetra izay nitoetra tamin’ny fahatokiana Azy. (Isa. 2, 2) Nanana ny lazany sy ny anjara toerany i Jerosalema indrindra ho an’ny Fiangonana Kristiana satria tao no teraka ny fivavahana kristiana. Tao i Jesoa no nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty; ary mbola tao koa no nisandratany ho any an-danitra, ka nandatsahany ny Fanahy Masina tamin’ny mpianany ny andro Pentekosta (Asa 2). Ary avy ao no niely ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (Asa 1, 8). Ry havana, andeha haorina ao ampontsika ny fanantenana ny amin’i Jerosalema vaovao, izay hovantanan’ny mpino rahatrizay raha miala ety amin’izao tontolo hita maso izao.

Fanontaniana :

Mba manantena ny Jerosalema vaovao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ireo irak’i Jaona mpanao Batisa

Alakamisy, 19 Martsa 2026

Ireo irak’i Jaona mpanao Batisa 1.Milaza ny asa nataon’i Jesoa «Ny mpianatr’i Jaona dia nanambara…

Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena n...

Alarobia, 18 Martsa 2026

Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Aza mandika ny didin’Andriamanitra Raha ny tantara izay voalaan’ny…

Mampandini-tena antsika ny Tompo

Talata, 17 Martsa 2026

Mampandini-tena antsika ny Tompo satria: 1. Mielina izao fiainana izao. Mieritreritra momba ny fielin’ny fiainana…