Mitari-dalana ny Soratra Masina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Febroary 2026

Sal 100 / Hira 44: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 44: 4

Marka 1,1 - 8
1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany] 3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. 5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. 7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.

Mitari-dalana ny Soratra Masina

Ny mofonainantsika anio dia manampy antsika hahatakatra fa ny fitoriana ny filazantsara dia:

1. Tsy ilana fisehosehoana (and 1-3)

«Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.» hoy ny fanombohan’ny filazantsara araka an’i Marka. Tsy mba voalaza ao mihitsy ny mombamomba an’i Marka. Fa ny zava-dehibe avoitrany dia tena i Jesoa Kristy Zanak’ Andriamanitra (tsy tetiarana). Fianatra izany! Na inona na inona natao, atao ary hatao, dia i Jesoa ihany aseho sy ambara fa aza ianao no arangaranga!

2. Tsy ilana fieboeboana (and 4-6)

« Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.» hoy ny fitantarana. I Jaona mpanao batisa, tso-piaina sady tso-po; tsy manambonimbony tena foana no tantaraina eto! Ary i Jesoa koa aza, amin’ny fitantaran’i Marka Azy dia asehony ilay atao hoe: « tsiambaratelo mesianika », izany hoe tsy navelany ampahafantarina ny maha Mesia Azy mandrapahatongan’ny fotoana mialoha ny hahafatesany! Ny asa nankinin’ny Ray na tamin’i Jaona na tamin’i Jesoa anefa dia vitan’izy ireo avokoa ary nataony laharam-pahamehana! Mby aiza ny fanetren-tenantsika?

3. Fa hitoriana sy hanompoana (and 7, 8)

Hoy i Jaona hoe: « Indro avy aoriako ilay mahery noho izaho…». Entiny maneho izany, fa na dia manana anjara fanompoana aza izy, dia tsy Izy no ilay mpamonjy voahosotra, tsy misandoka ho Mesia izy, fa ny marina no ambarany: avy aoriany i Jesoa izay tena mpamonjy sy hanao batisa amin’ny Fanahy Masina! Ianao koa, aza mitady haka ny toeran’i Jesoa na dia nomena fanompoana lehibe aza! Aoka i Jesoa ihany no hampianarina sy toriana!

Fanontaniana:

Mby aiza ny asa sy ny fanetren-tenantsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Miteny sy manafatra mandrakariva ny ...

Talata, 3 Febroary 2026

Miteny sy manafatra mandrakariva ny Soratra Masina Hafatra telo mazava no omen’ny Tompo antsika anio…

Ny Toetra takiana amintsika Kristian...

Alatsinainy, 2 Febroary 2026

Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i…

Andriamanitra miantso, mampahafantat...

Alahady, 1 Febroary 2026

  Ny mofonainantsika anio dia mitarika antsika hahatakatra fa Andriamanitra dia: 1. Miantso izay olona…