Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Martsa 2026
Sal. 107, 1-3 / Hira 18, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 427
Ezra 9,3 - 7
3 Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho. 4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva. 5 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho 6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra; 7 fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao.Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo
1.Aza mandika ny didin’Andriamanitra
Raha ny tantara izay voalaan’ny bokin’i Ezra dia nandika ny didin’Andriamanitra ireo vahoaka izay tompon’andraikitra tao amin’ny Tempoly; toy ny mpisorona, ny levita ary ny manam-pahefana. Nanambady vehivavy nanompo andriamanin-kafa izy ireo, sady nanaraka ny fanaon’ny jentilisa. Voarara araka ny lalan’i Mosesy mantsy ny fanambadiana amin’ny olona tsy araka an’Andriamanitra (Eks 34, 11-16: Deo. 7, 1-4) Nohamafisina ao amin’ny Testamenta Vaovao koa fa voarara ny olon’ny Fanekena Vaovao tsy hanambady olona tsy mpino (1Kor.7, 39) Ny fandrenesan’i Ezra izany fahalotoana izany no nahatonga azy nandriatra ny lamba sy ny ankanjo. Tsarovy fa fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ny fandikana didiny.
2.Mijoroa hatrany amin’ny fahamarinana
«Tanàna masina.» no anaram-boninahitra fiantsoana ny Israely. Nilazana ny maha Izy Azy sy ny fahamasinan’Andriamanitra (Deo. 7, 1-11) Toy izany koa ny voalaza aty amin’ny Testamenta Vaovao, nantsoina hiavaka amin’izao tontolo izao (2Kor. 6, 14-20) ho firenena masina (2Pet.2, 9-12) , voatokana hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireo izay manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Midika izany fa tokony hiaina amin’ny fahamasinana ny olomboafidin’Andriamanitra ka hanana fiainana miavaka amin’ny firaisana Aminy (1Kor.6, 11). Koa aoka isika hijoro hatrany ho amin’ny fahamasinan’ilay niantso sy ny nifidy antsika, aza manaiky ho resin’ny ratsy.
Fanontaniana :
Mbola mahatandrina ny didin’Andriamanitra ve ny olona amin’izao vanim-potoana izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe