Misy laharam-pahamehana mandrakariva eo amin’ny fiainana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Febroary 2026
Sal 117 / Hira 18:1,2,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 242
Jaona 4,31 - 38
31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô. 32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? 34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. 35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. 36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, 38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.Misy laharam-pahamehana mandrakariva eo amin’ny fiainana
Tantara iray niseho taorian’ny nifampiresahan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana no eto, Jesoa sy ny Mpianany mifamaly resaka ka nahatarafana izay tena maika tamin’i Jesoa. Teraka ny fanontaniana hoe: asa manao ahoana no maika amin’i Jesoa?
1. Ny manao ny sitrapon’ny Ray sy ny asany
Mikarakara sakafo ireto mpianatra no miantso an’i Jesoa mba hisakafo, saingy zavatra hafa no navalin’i Jesoa azy ireo manao hoe «Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany » (And 34). Laharam-pahamehana roa samihafa ny an’ny mpianatra sy ny an’i Jesoa. Tsy hoe tsy ilaina ny misakafo fa ny fahaizana mamaritra ny maika amin’ny fanahy sy ny nofo no fianarana apetraky ny Tompo. Ary ho antsika Kristiana dia samy mahafantatra fa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny asany no tena mampiavaka antsika amin’ny hafa.
2. Ny manararaotra ny taom-pijinjana (and 35)
Ny Tompo rehefa niresaka tamin’ireto mpianany eto dia miresaka ny tokony hanararaotana ny fijinjana amin’ny ankehitriny. Maika ny famoriana olona sy fanahy maro hahazo ny famonjena. Araraotina ny fotoana satria tsy misy mahalala izay andro sy ny oran’ny Tompo. Ary matoa ny Fiangonana mijoro ankehitriny dia manohy izany fijinjana izany ka manararaotra ny fotoana, miara-misalahy, samy mikely aina fatratra mba hahomby amin’ny asa nanirahan’ny Tompo. Aza mangataka andro lava amin’ny asan’Andriamanitra fa tanteraho dieny anio. Andeha isika haka tahaka izay nataon’i Jesoa sy ny laharam-pahamehana teo Aminy.
Fanontaniana:
Inona no tena laharam-pahamehana eo amin’ny fiiananao amin’ny maha Kristiana anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe