Mibanjina ny mandrakizay ny mino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Febroary 2026
Sal 111,1-9 / Hira 36:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira F.47
Jaona 6,22 - 28
22 Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha, 23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,- 24 koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy. 25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao? 26 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. 27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. 28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?Mibanjina ny mandrakizay ny mino
Nitangoronan’ny olona Jesoa satria nanafaka azy tamin’ny hanoanana. Nikaroka mihitsy aza izy ireo mba ho tafahaona Aminy amin’ny fomba rehetra. Inona no manosika antsika hanaraka an’i Jesoa?
1. Teren’ny lafiny ara-nofo ve? (And.22-26)
Sahirana fatratra ireto olona maro nikaroka an’i Jesoa, ary dia tena nivezivezy mihitsy mba hahita azy satria novokisan’ny Tompo ka dia tamana. Rehefa nihaona tokoa mantsy dia efa takatr’i Jesoa ny hevitr’izy ireo. Teolojian’ny fangoronana harena no betsaka mpitory ankehitriny. Ary misy mihitsy ireo mampianatra fa ny Jesoa an’izy ireo dia mampanana harena hita maso. Ampitodihan’ny « fiangonana » sasany ny mino mba hanatona an’i Jesoa hitady ny zavatry ny nofo sy vahaolana eo no ho eo. Tena hain’ny Tompo izany, kanefa tsy izany loatra no laharam-pahamehana Aminy. Mitandrema isika mpanara-dia ny Tompo.
2. Maniry fiainana mandrakizay ve? (And.27-29)
Fantatry ny Tompo ny tena nanosika ny maro hanara-dia Azy eto. Nanitsy azy ireo moa ny Tompo ka namerina amin’izay tokony ho izy amin’ny fanarahana Azy sy ny anton’ny nahatongavan’i Jesoa tety an-tany. Raha hihazakazaka amin’ny fanarahana an’i Jesoa ihany dia aza diso ny tanjona. Aleo misaina tsara hoe: ny mandrakizay no hikelezana aina fa tsy ny zavatra mandalo sy mety ritra tahaka ilay mofo nampikoropaka ireto olona ireto. Ny fiainana mandrakizay dia fanomezana ho an’izay mino an’i Jesoa Kristy. Asa lehibe sady masina tamin’i Jesoa ny hahatonga ireto olona maro ireto hino fa Izy Ilay Irak’Andriamanitra hamonjy ny olona rehetra. Izany no asan’i Jesoa, ary mbola tohizan’ny Fiangonana hatrany hatrany.
Fanontaniana:
Tena mangetaheta hihaona amin’Andriamanitra tokoa ve ny olona rehetra tonga ao am-piangonana sa zavatra hafa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe