Mavesatra ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Febroary 2026
Sal 96,1-3/Hira 24/ Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 506 :1,3
Jaona 10,31 - 42
31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy? 33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3] 34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6). 35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), 36 moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho? 37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. 38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray. 39 Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy* Izy. [*Gr. Ny tànany] 40 Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy. 41 Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa. 42 Ary maro no nino Azy teo.Mavesatra ny fahamarinana
Izao Soratra Masina izao dia mampiharihary ny zavatra mety hitranga rehefa miseho ny fahamarinana momba an’i Jesoa amin’ny asany Andriamanitra.
1. Fanilihana an’i Jesoa (And.31-33)
Rehefa nandre ny fahamarinana momba an’i Jesoa ireto vahoaka dia nitady hitoraka Azy. Nitondra fanazavana indray Jesoa, kanefa niafara tamin’ny fikasana hisambotra Azy izany. Tsy zakan’ny sofin’ny olona tsy manaiky ho ondrin’i Jesoa ny mihaino Azy. Hoy Jesoa << Ny ondriko mihaino ny feoko ». Tsy manaiky an’i Jesoa amin’ny maha Andriamanira izy ireto na dia toa mpanaradia ihany aza. Te hisitraka fotsiny ireo asa tsara ilain’ny nofo izy fa lavitra azy ny finoana.
2. Fanehoana ny maha izy azy an’i Jesoa (And.34-39)
Nambaran’i Jesoa fa na tsy hino Azy aza ireo, ny asa nataony kosa dia tokony hahafantarany an’i Jesoa. Zanak’Andriamanitra tokoa Jesoa. Koa ireo asa rehetra nataony dia manamporofo izany avokoa. Tena misy dian-tanan’Andriamanitra Ray mandrakariva ny asa mahagaga nataon’i Jesoa mba hahalalan’ny olona ny maha izy Azy. Fomba iray hamantarana fa avy amin’Andriamanitra ny asa mahagaga iray, dia ny fisandratan’i Jesoa ao anatin’izany ka hampitombo ny fahalalan’ny olona Azy, fa tsy ny anaran’olona na fiangonana.
3. Finoana an’i Jesoa
Rehefa nandà fatratra tamin’ny fomba rehetra ny Jiosy dia lasa nakany Jordana Jesoa. Nifanohitra ny zava-nisy. Nino an’i Jesoa ny olona noho ny fanambarana, ary tsy nisy famantarana. Aza miandry fahagagana na famantarana vao hino. Ny Tenin’Andriamanitra no fototra tsara indrindra hanorenana ny finoana. Ampitomboy ny fahalalana ny Soratra Masina.
Fanontaniana:
Inona no maha maika anao rehefa mihaona amin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe