Jesoa Kristy, mahatoky amin’ny asany
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Aogositra 2026
Sal. 63:1-5 / Hira 201:1-4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 347
Jaona 17,20 - 25
20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; 21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. 22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: 23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. 25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.Mahatoky amin’ny asany ny mpino, ary modely tena tsara halain-tahaka amin’izany fahatokiana izany i Jesoa.
Jesoa Kristy, mahatoky amin’ny asany
1- Nitondra am-bavaka ny ondriny
Ankoatra ny maha-Mpamonjy Azy dia anisan’ny asa iantsorohan’i Jesoa Kristy ny maha-Mpanalalana Azy amin’Andriamanitra Ray (jereo I Timoty 2, 5). Ny fitondrana am-bavaka ireo mpianany sy ny mpino rehetra dia maneho fa faniriana lalina tao anatiny ny hampifandray sy hampiray antsika olombelona amin’ Andriamanitra. Somparan’ny fahotana io fifandraisana sy firaisana amin’Andriamanitra io (Isaia 59, 2a), ka notohizan’i Jesoa tamin’ny alalan’ny hazofijaliana handravana ny efitry ny fisarahana. Mandraka ankehitriny dia mbola mivavaka sy mifona ho antsika co ankavanan’ny Ray Izy (Romana 8, 34)
2- Manaraka ny sitrapon’Andriamanitra
Ao anatin’ny vavaka nataony, Jesoa dia milaza fa nampahafantariny ny Ray ireo Mpianany, ary mbola hampahafantariny hatrany. Ny tanjona dia ny hahatonga antsika mpino ho tafaray amin’Andriamanitra sy hahalala ny fitiavany. Ny sitrapon’ny Ray manko, dia ny hananantsika ny fiainana mandrakizay (Jaona 6, 40) ary izany koa no faniriana tao amin’i Jesoa: « …Tiako mba ho any Amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy… » (And.24). Io fanekena na fanarahana ny sitrapon’ Andriamanitra io no nanekeny an-tsitrapo hanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana.
Fanontaniana:
1- Isaky ny inona ianao no mitondra am-bavaka ny asa fanompoana?
2- Misy sitrapon’Andriamanitra mifandraika amin’ny asa fanompoana nefa tsapanao fa sarotra tanterahina ve?
Foibe Sampana Sekoly Alahady