Ireo zava-dehibe iainana ahafahana mijoro ho vavolombelona

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Febroary 2026

Sal 138.1-5 / Hira 210:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 210: 5

1 Timoty 4,13 - 16
13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera] 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Ireo zava-dehibe iainana ahafahana mijoro ho vavolombelona

Epistily pastoraly no iantsoana ireo voasoratra ho an’i Timoty sy Titosy, satria natao ho an’ireo tanora roalahy mpitondra Fiangonana izany. Taomin’i Paoly i Timoty eto ho tonga fianarana ho an’ny mino (1 Tim 4. 12) amin’ny lafin-javatra maromaro. Ahazoany mijoro amin’izany dia omen’i Paoly torohevitra izy hanao ho zava-dehibe ny:

1. Famakian-teny (and 13)

« Mandra-piveriko, tandremo ny famakian-teny…» hoy ny Apostoly Paoly. Ny mitandrina ny famakian-teny dia mitovy hevitra amin’ny hoe milona amin’ny Soratra Masina (Testamenta taloka tamin’izany), mivelona amin’izany, satria antoka lehibe hahazoana miorina amin’ny finoana izany fa voasoratra hoe: «tsy mofo ihany no iveloman’ny olona…» (Deo 8.3) ary mbola nohamafisin’i Jesoa tsara izany (Mat 4.4)! Ianao koa, ilomy ny Soratra Masina!

2. Fanomezam-pahasoavana (and 14)

« Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao…». Ny Fanahy Masina no tian’i Paoly ambara amin’ny hoe fanomezam-pahasoavana eto; koa tsy azo ampandeferina eo anatrehan’ny hevitra na fisainan’ny tena manokana ny fitarihan’ny Fanahy Masina (2 Tim 1. 6), ilay fototry ny hery sy fahasahiana (2 Tim 1.8)

3. Fampianarana (and 16)

« Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao…». Ny fitondran-tenan’i Timoty araka izany no fantsona iampitan’ny fampianarana ataony, koa tena zava-dehibe ny mampifanaraka ny atao sy ny ambara mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava! Modely amin’izany i Jesoa, izay tsy misalasala niteny hoe: «mianara amiko…» (Mat 11.29)! Sao ny toriana mipoapoaka nefa ny atao mampitsoaka e!

Fanontaniana:

Aiza ho aiza ny fahatsapanao ny tenanao manoloana ireo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Izay tokony ataon’ny mpino

Alakamisy, 5 Febroary 2026

Izay tokony ataon’ny mpino Anankiray amin’ireo horonam-boky dimy famakin’ny Jiosy amin’ny fetim-piangonana Lehibe ny bokin’ny…

Mitari-dalana ny Soratra Masina

Alarobia, 4 Febroary 2026

Mitari-dalana ny Soratra Masina Ny mofonainantsika anio dia manampy antsika hahatakatra fa ny fitoriana ny…

Miteny sy manafatra mandrakariva ny ...

Talata, 3 Febroary 2026

Miteny sy manafatra mandrakariva ny Soratra Masina Hafatra telo mazava no omen’ny Tompo antsika anio…